Kolontsaina ao Okraina

Ny kolontsaina ao Okraina dia fitambaran' ny soatoavina ara-materialy sy ara-panahin' ny vahoaka okrainiana izay niforona nandritra ny tantaran' i Okraina. Izy io dia mifamatotra akaiky amin' ny fandalinana momba ny foko okrainiana sy ny tantaran' ny Okrainiana izay mifantoka amin' ny tantaran' i Kyiv na Kiev sy ny faritra manodidina azy. Ny kolontsaina okrainiana dia avy amin' ny Fanjakan' i Rus'n' i Kiev taloha sy ny Prinsipaotean' i Galicia-Volhynia, izay heverin' ny Okrainiana ho razambeny ara-tantara. Ny fomba amam-panao okrainiana dia iharan' ny kristianisma ôrtôdôksa sy ny fomban-drazana avy amin' ny angano slavy.

Ny katedraly Mb Sôfia ao Kiev

Mponina hanova

Ny Okrainiana no mandrafitra ny 77,8 % amin' ny mponina (tombana tamin' ny taona 2004). Ny Rosiana no mandrafitra ny 17,3 % amin' ny mponina. Ny vahoaka vitsy an' isa hafa dia ahitana ny Belarosiana (0,6 %), ny Moldava (0,5 %), ny Tatara Krimeana (0,5 %), ny Bolgara (0,4 %), ny Hôngroà (0,3 %), ny Romaniana (0,3  %) ary ny Pôlôney (0,3 %).

Fiteny hanova

Ny fiteny ôfisialy ao Okraina dia ny fiteny okrainiana, izay fiteny slava manakaiky ny fiteny rosiana sy ny fiteny belarosiana. Ampiasaina ao koa ny fiteny rosiana izay fiteny fanofanana ireo olon-tsangany ao aimin' io firenena io.

Fivavahana hanova

Ny fivavahana ôrtôdôksa no fivavahan' ny ankamaroan' ny mponina ao Okraina, izay manaiky na ny fahefan' ny Patriarka ao Môskoa na ny an' ny Patriarka ao Kiev. Ny fiangonana oniata dia misy mpino miisa 5 tapitrisa fara-fahakeliny. Ny Hôngroà sy ny Pôlôney vitsy an' isa kosa, izay hita any andrefana amin' i Okraina, dia manaraka ny finoana katôlika rômana. Nisy Jiosy 500 000 teo ho eo tamin’ ny fiandohan’ ny taonjato faha-21 tany Okraina.

Jereo koa hanova