Môldaviana (vahoaka)

Ny Môldaviana, na Môldava, indraindray antsoina hoe Môldôvana, dia vahoakam-pirenen' ny Repoblikan' i Môldavia (na inona na inona fiteniny sy fomban-drazany sy finoany ary fiaviany) na vondrom-poko tao amin' ny faritra ara-tantaran' i Môldavia izay mahafaoka ny ampahany amin' ity repoblika ity. Amin' ny maha vondrom-poko azy, ny Môldaviana dia miteny romaniana sady vondrom-poko lehibe indrindra ao amin' ny Repoblikan' i Môldavia (75,1 % amin' ny mponina tamin' ny taona 2014) ary vahoaka vitsy anisa ao Romania sy Italia sy Okraina ary Rosia. Amin' ny fiteny romaniana dia atao hoe Moldoveni na Молдовень izy ireo.

Faritra eto amin' izao tontolo izao misy ny Môldaviana sy ny zanaka am-pielezana môldaviana

Misy ny tsy fitovian-kevitra momba ny famaritana ara-piteny ny maha foko azy, momba ny maha vondrom-poko miavaka sy misaraka amin' ny Romaniana azy ireo, na ny maha anisan' ny Romaniana azy ireo. Miovaova ny habetsahan' ny olona milaza ny tenany ho Romaniana ao amin' ny Repoblikan' i Môldavia (2,1 % amin' ny mponina no milaza tena ho Romaniana tamin' ny taona 2004 ary 7 % izany tamin' ny taona 2014).

Ny teny hoe Môldaviana dia ampiasaina hanondroana ny mponina rehetra ao amin' ny tanin' ny Prinsipaotea ara-tantaran' i Môldavia, izay voazara amin' i Romania (47,5 %) sy i Môldavia (30,5 %) ary i Okraina (22 %), na inona na inona fiheverana ara-poko azy ireo. Any Romania, ny teratany avy any Môldavia Andrefana izay manondro ny tenany amin' io teny io dia manambara amin' ny ankapobeny ny maha anisan' ny foko romaniana azy, fa ny Môldaviana avy any Besarabia (anisan' izany ny Repoblikan' i Môldavia) dia matetika antsoina hoe Besarabiana (amin' ny fiteny romaniana: basarabeni).