Galia
I Galia na Gaoly dia faritra tao Eorôpa Andrefana nonenan' ny vahoaka seltika sy ny vahoaka akitaniana, izay mahafaoka an' i Frantsa, i Loksemborga, i Belzika, ny ampahany lehibe amin' i Soisa, ny tapany avaratr' i Italia ary faritra maro amin' i Nederlandy sy amin' i Alemaina: ny lemaka andrefan' ny renirano Rhin. Mahatratra eo amin' ny 494 000 km2 eo ny velarany. Nihena anefa izany taty aoriana.
![](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/1/1b/Droysens_Hist_Handatlas_S16_Gallien_CAESAR.png/242px-Droysens_Hist_Handatlas_S16_Gallien_CAESAR.png)