Jakôba (patriarka hebreo)
I Jakôba dia lehilahy voalaza ao amin' ny Baiboly, zanak' i Isaaka sy rahalahin' i Esao. Anisan' ny Patriarka nanao fanekena tamin' Andriamanitra izy. I Jakôba dia antsoina koa hoe Israely taorian' ny fitolomany tamin' ny anjelin' Andriamanitra ka ny taranany dia atao hoe Israelita na Zanak' i Israely.
Nanompo andriamanitra tokana izy ka nandova ny fampanantenana natao tamin' ny razany, dia ny hanana taranaka maro izay homena tany mahavokatra, dia ny tany Kanaana. Nanambady efatra izy ka niteraka ny zanilahy nipoiran' ny foko roa ambin' ny folo. Niharan' ny fanandevozana tany Egipta ny taranany alohan' ny honenan' izy ireo any amin' ny tany nampanantenaina azy. Tsy ny Baiboly ihany no ahitana ny tantaran' i Jakôba fa ny boky masina sasany toy ny Kor'any koa.
Nampirafy i Jakôba ka ireto ny vehivavy niterahany: i Lea sy i Rahely sy i Zilpa ary i Bila. Ny roa voalohany, izay mpirahavavy zanak' i Labàna, no tena vadiny fa ny roa farany dia mpanompo vaviny.
Ireto avy ny zanak' i Jakôba tamin' ireo vehivavy efatra ireo:
- i Lea niteraka an' i Robena, i Simeôna, i Levy, i Jodà, i Isakara ary i Zebolôna (na Zabolôna);
- i Bila niteraka an' i Dana sy i Naftaly (na Neftaly);
- i Zilpa niteraka an' i Gada sy i Asera;
- i Rahely niteraka an' i Jôsefa sy i Benjamina. Izy ireo no nanjary razamben' ny foko roa ambin' ny folon' i Israely. Tsy nanana zanakavavy afa-tsy i Dina i Jakôba, dia ilay zanany tamin' i Lea.