Ny fampirafesana dia ny satam-panambadiana izay ahitana olona iray mifamatotra amin' ny vady roa na mihoatra, izany hoe fananana vady maro. Ny fampirafesana dia matetika iresahana ny lehilahy manambady vehivavy maro nefa misy koa ny fampirafesan' ny vehivavy lehilahy maro. Ny fanomezan-dalana ny hanana vady maro ao amin' ny firenena iray dia tsy midika fa izany no tena fanao ao amin' io firenena io. Ao anatin' ny fiarahamonina anjakan' ny fampirafesana, ny 60 ka hatramin' ny 80% amin' ny tokantrano dia manana vady tokana (raha ny fahita fa tsy araka ny lalàna). Mifanohitra amin' ny fampirafesana ny fanambadiana tokana. Any amin' ny firenena maro, ny lalàna dia tsy manaiky afa-tsy ny fanambadiana tokana ihany, ny olona iray dia tsy afaka manambady afa-tsy olona tokana, ary ny fanambadian' ny olona mbola tsy nisara-bady ara-dalana dia tsy ara-dalàna satria mitovy amin' ny fanitsakitsaham-bady.

Sarintany maneho ireo firenena mamela ny vahoaka ao aminy hampirafy (miloko maitso)

Maneran-tany, ny fiarahamonina samihafa dia mamporisika amin' ny fomba samihafa, ao ny manaiky na mandrara ny fananana vady maro. Ao amin' ny fiarahamonina mamela na mandefitra ny fananana vady maro, ny fampirafesana vehivavy no karazany ekena amin' ny ankamaroan' ny tranga. Ao amin' ny kolontsaina izay mampihatra ny fampirafesana, ny fielezan' izany eo amin' ny mponina dia matetika mifandray amin' ny sarangam-piarahamonina sy ny sata ara-toekarena sy ara-tsôsialy. Ny fanambadiana vehivavy maro no fahita indrindra any ao Afrika Andrefana sy Afrika Afovoany, miaraka amin' ireo firenena tombanana ho anjakan' ny fampirafesana indrindra eto an-tany dia i Borkina Fasô, i Maly, i Gambia, i Nizera ary i Nizerià.

Karazana fampitafesana

Fampitafesana sy lalàna

Fampirafesana sy fivavahana

Fampirafesana sy kolontsaina