Vondrom-poko

(tonga teto avy amin'ny Foko)

Ny vondrom-poko na foko dia vondron' olona mihevitra ny tenany ho iray razana, iray tantara sy fedrà, iray kolontsaina, iray fiteny na fitenim-paritra, iray fomba fiainana. Mety ho ny sasany amin' ireo singa famaritana ireo ihany na izy rehetra no amaritana ny foko na ny vondrom-poko. Ny maha anisan' ny foko iray ny olona iray dia mifamatotra amin' ny fananana kolontsaina iraisana, ka iray anisan' izany ny lovantsofina na ny fomba amam-panao, ny anjara asa sahanina eo amin' ny fiarahamonina, ny fiaviana ara-jeôgrafia, ny foto-pisainana, ny fivavahana, ny fomba fahandroana sakafo, ny fitafiana, ny mozika, ny dihy, sns. Tsy misy famaritana mazava eken' ny rehetra ny atao hoe foko na vondrom-poko na dia ampiasaina betsaka aza.

Jereo koa hanova