Ny razana, amin' ny heviny ankapobeny, dia ny ray aman-drenin' ny ray aman-dreny sy ny ray aman-drenin' iretsy farany sy ny ray aman-dreny talohan' iretsy farany indray, ka miroso toy izany hatranihatrany, izany hoe izay rehetra nitaranaka na namela lovam-pomba amin' ny olona aty aoriana. Izany maha ray aman-dreny na taranaka izay dia mety ho ara-piterahana tokoa na araka eva fotsiny. Raha ara-piterahana ny maha razana dia lazaina fa manam-pifandraisana ara-tarazo ny olona roa raha razan' ny voalohany ny faharoa, na raha manana razana iraisana izy ireo.

Misy ny vahoaka na foko manome fanajana manokana ny razana, na ny mbola velona izany na ny efa maty. Ny vahoaka na foko sasany indray tena mivavaka amin' ny razana na manompo ny razana mba hahazo fitahiana.

Ny teny hoe razana hanova

Raha raisina amin' ny maha teny malagasy azy ny hoe razana dia maro hevitra ka ireto ny sasany amin' izany:

  • ireo izay nitaranaka ny maro taty aoriana, "ny ray aman-dreny niaviana fahagola"[1];
  • ny olona maty;
  • ny fanahin' ny olona maty.

Jereo koa hanova

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Régis Rajemisa-Raolisona, "Razana" in Rakibolana malagasy, 1985.