Fiteny javaney
javaney basa jawa | |
Isan'ny mpiteny | 80 tapitrisa |
Faritany | ![]() |
Sata | Tsy manana sata ofisialy |
Soratra | latina, na abogida javaney |
Ny fiteny javaney dia fiteny any amin'ny nosy Java, any Indonezia. Misy olona 80 tapitrisa, eto an-tany no miteny Javaney, ary tenin-dren'ny olona 75 tapitrisa izy any Indonezia. Eo aian'ny fiteny Indonezianina, izy no teny be mpiteny indrindra any Indonezia.
Ny fiteny Javaney dia voasintona avy amin'ny teny Aostrônezianina, ary mitovy fianakavina amin'ny fiteny malay ny fiteny Javaney. Miteny Indonezianina ny mponina Javaney rehefa mivarotra na rehefa miresaka amin'ny Indonezianina tsy mahay miteny Javaney.
Any ivelan'i Indonezia, betsaka ny olona miteny Javaney, indrindra any Azia eo amanodidin'ny Indonezia : Any timaoro Atsinanana, any Malaizia, any Singapaoro ary any Aostralia ; misy koa any Hong Kong sy any Taiwan. Vitsivitsy izy any Surinam.