Ny fiteny ao Angôla dia ahitana ny fiteny pôrtogey sy fiteny afrikana maro, ka ny fiteny pôrtogey no fiteny ôfisialy.

Ny fiteny pôrtogey dia ampiasain' ny 78 %n' ny tokantrano angôley, izany hoe olona miisa 17 tapitrisa any ho any tamin' ny taona 2014, ka ny 91 % an-tanàn-dehibe fa ny 53 % ambanivohitra; ny 39 %n' ny Angôley no manao ny fiteny pôrtogey ho fiteny nibeazana (fitenin-dreny). Firenena faharoa miteny pôrtogey i Angôla raha ny velaran-tany no heverina fa fahatelo kosa izy raha ny isan' ny mponina no heverina.

Misy fiteny teratany miisa 33 ny ao Angôla ka ny enina lehibe indrindra ao, izay natao fitenim-pirenena, dia ny fiteny kikôngô, ny fiteny kimbondo, ny fiteny tsôkoe, ny fiteny ombondo, ny fiteny ngangela ary ny fiteny koaniama. Ny fanisana natao tamin' ny taona 2014 dia naneho fa mihalany mpiteny ny fitenim-pirenena satria tsy misy ny fampitana azy ireo amin' ny taranaka taty aoriana, satria miezaka miteny pôrtogey ny tokantrano angôley. Na dia izany aza dia mbola misy 9 tapitrisa ny Angôley roa taona no ho miakatra mampiasa fiteny mihoatra ny roa ao an-tokantranony, izany hoe ny 38 %n' ny mponina.

Lisitry ny fiteny ao Angôla hanova

Jereo koa hanova