Ny fiteny kimbondo dia fiteny ao Angôla, ampiasain' ny Mbondo (na Ambondo) any amin' ny faritra Luanda sy Bengo ary Malange. Ao amin' ny fianakaviam-piteny banto izy io. Angôley miisa 2 tapitrisa no miteny azy io any an-trano araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2014.

Misy zana-poko iraika ambin' ny folo ao amin' ny vondrom-poko mbondo, izay samy manana ny fomba fitenenany io fiteny io avy: ny fiteny ngola, ny fiteny dembo, ny fiteny jinga, ny fiteny bôndô, ny fiteny bangala, ny fiteny sôngô, ny fiteny ibakô, ny fiteny loanda, ny fiteny kibala, ny fiteny libôlô ary ny fiteny kisama.

Tany Luanda renivohitr' i Angôla, ny fiteny pôrtogey tenenin' ny mponina (fotsy, safiotra, mainty ) dia nampiasa teny kimbondo be dia be, hatramin' ny nanorenana ilay tanàna. Ny ampahany amin' ny vahoaka mbondo ao amin' ny faritra Malanje dia namolavola ny fiteniny ho amin' ny fifangaroan' ny teny kimbondo sy ny fiteny pôrtogey izay antsoin' izy ireo hoe ambaca - izany no niantsoana azy ireo hoe "Ambaquistas".

Ny didim-panjakanan' ny mpanjanatany tamin' ny taona 1919 dia mandrara ny fampiasana ny fiteny rehetra eo an-toerana amin' ny fampianarana an-tsekoly sy amin' ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ity fepetra ity sy ny hafa mikendry ny fampanjakana ny kolontsaia pôrtogey dia nampihena be ny fampiasan' amin'ny mponina an-tanàn-dehibe ny fiteny kimbondo, ka nampahazo laka ny fiteny pôrtogey. Izany tena nisongadina tamin' ny taompolo 1960, ary nitohy na dia taorian' ny fahaleovantena aza.

Jereo koa hanova