Fiteny tsôkoe-lotsazy

(tonga teto avy amin'ny Fiteny ngangela)

Ny fiteny tsôkoe-lotsazy na fiteny ngangela dia vondrona fiteny banto teneina ao Angôla sy ao Zambia. Ny anarana hoe ngangela koa indraindray dia manondro ny iray amin' ireo fiteny ao amin' ity sokajy ity, na ny fifangaroan' izy ireo. Ny hoe Ngangela koa dia manondro ny vahoaka mampiasa ireo fiteny ireo, ka amin' ny ankapobeny dia ahitana ny Lovala, ny Lotsazy, ny Mbonda, ary vondrom-poko ara-piteny akaiky hafa.

Ny zana-bondrona amin' ny fiteny ngangela dia misy karazany maromaro na fiteny akaiky: fiteny iaoma, fiteny loimby, fiteny lotsazy, fiteny mboela, fiteny mbonda, ary fiteny niemba, fiteny tsôkoe. Azo tovanana amin' io lisitra io ihany koa ireto fiteny manaraka ireto; fiteny masy, fiteny lovala na loena, fiteny niengô.

Jereo koa hanova