Fiteny any Srilanka
Ny fiteny ao Srilanka dia maro, izay ao anatin' ny sampam-piteny ao amin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana (sampana indô-ariana) sy dravidiana ary aostrôneziana, miampy ireo fitenin' ny mpanjana-tany. Fiteny ôfisialin' i Srilanka ny fiteny singaley (indô-ariana) sy ny fiteny tamily (dravidiana). Samy manana ny rafitra fanoratana azy ny tsirairay: ny alfasilabera singaley sy ny alfasilabera tamily. Ny fiteny anglisy dia ampiasaina ho tenim-pifandraisana. Ny fiteny ampiasaina ao amin' ilay nosy dia niantraikan' ireo fiteny samihafa avy any India, any Eorôpa ary any Azia Atsimo-Atsinanana. Ny fitenin' ireo Arabo voanjo sy ny an' ny firenena mpanjana-tany toa an' i Pôrtogaly sy i Hôlandy ary i Britaina Lehibe dia nisy fiantraikany tamin' ny fivoaran' ny fiteny môderina ao Srilanka ihany koa. Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2012, dia ny 87,0 % amin' ny Srilankey no mahay miteny singaley, ny 28,5 % miteny tamily ary ny 23,8 % miteny anglisy.
Fiteny teratany
hanovaFiteny singaley
hanovaNy fiteny singaley dia ao anatin' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana (sampana indô-ariana). Tamin' ny taona 2016, ny fiteny singaley no fitenin' ny ankamaroan' ny Singaley, izay mahatratra 74,9 %n' ny mponina ary manodidina ny 16,6 tapitrisa eo ho eo. Mampiasa ny tarehin-tsoratra singaley izy io, izay avy amin' ny tarehin-tsoratra brahmy fahiny. Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2012 dia ny 87,0 % amin' ny Srilankey (mpiteny miisa 14 670 239) no mahay miteny singalese ary ny 79,7 % (13 439 904) kosa izy ireo no mahay mamaky teny sy manoratra amin' io fiteny io.
Fiteny tamily
hanovaNy fiteny tamily dia ao amin' ny fiteny diravidianina, izay anisan' ny fiteny tranainy indrindra eto an-tany. Ampiasain' ny Tamily srilankey izay teratany ao amin' io nosy io ny fiteny tamily srilankey, fa ny fiteny tamily indiana dia fitenenin' ny Tamily mpifindra monina sady fitenin' ny ankamaroan' ny Maoro srilankey avy any Tamil Nadu izay fanjakana any India mifanila aminy. Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2012 dia ny 28,5 %n' ny Srilankey (miisa 4 807 584) no mpiteny tamily. Raha ny fahaizana mamaky teny sy manoratra kosa dia 26,4 % (miisa 4 456 056) no manao izany amin' ny fiteny tamily.
Fiteny vedà
hanovaManodidina ny 300 amin' ny Vedà, zara raha 2 500 ny fitambarany tamin' ny 2002, no miteny ny fiteny vedà, izay iadian-kevitra ny niaviany. Tsy fanta-piaviana ny fiteny nipoiran' ny fiteny veda.
Fiteny eorôpeana
hanovaFiteny anglisy
hanovaVoafehin' ny 23,8 % eo ho eo amin' ny mponina ao Srilanka ny fiteny anglisy, ary ampiasaina betsaka amin' ny raharaha ôfisialy sy amin' ny varotra. Izy no fiteny nahaterahana ho an' ny olona miisa 74 000 eo ho eo, indrindra any an-tanàn-dehibe. Ny 0,1 % amin' ny mponina ihany no manao ny fiteny anglisy ho fitenin-drazany. Fiteny manan-danja, eken' ny Lalàmpanorenan' i Srilanka ho "fitenim-mpifamatorana” izy io. Araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2012 dia ny 23,8 %n' ny mponina (miisa 4 019 583) no miteny anglisy. Raha ny fahaizana mamaky teny sy manoratra dia 30,8 % (miisa 5 194 996) no manao izany amin' ny fiteny anglisy.
Fiteny frantsay
hanovaNy fiteny frantsay, aorian' ny fiteny anglisy, dia mijanona ho fiteny vahiny faharoa ampianarina ary nitombo 30 % ny isan' ny mpianatra amin' ny fampianarana ambaratonga voalohany sy faharoa teo anelanelan' ny taona 2010 sy 2014.
Fiteny hôlandey
hanovaSaika nanjavona ny fiteny hôlandey nanomboka tamin' ny fiandohan' ny taona 1930. Ny Burghers, taranaky ny Hôlandey, matetika samy hafa foko, dia manodidina ny 39 000 eo ho eo tamin' ny taona 2013, saingy matetika izy ireo no miteny singaley, ary betsaka ny Burghers manao ny fiteny anglisy ho fiteny faharoa. Tsy fahita firy amin' izao fotoana izao ny Burghers mahay miteny hôlandey.
Fiteny pôrtogey
hanovaVitsivitsy amin' ireo olona 3 400 avy amin' ny fiaviana pôrtogey no miteny kreôla pôrtogey srilankey. Nanjavona hatramin' ny taona 1920 ny kreôlan' ireo Pôrtogey mpanjanatany teo aloha (zanatany pôrtogey mantsy i Srilanka tamin' ny taona 1505 ka hatramin' ny 1658).
Fiteny avy any amin' ny faritra hafa any Azia sy ny manodidina
hanovaFiteny kreôly maley
hanovaAmpiasain' ny vahoaka maley ao Srilanka ny fiteny kreôla maley, saingy mihena ny fampiasana azy. Maherin' ny 40 000 ny mpiteny malay srilankey.
Fiteny sinoa
hanovaNy fiteny sinoa mandarina no fiteny nitombo mpiteny hatrany hatramin' ny taona 2000: mpiara-miombona antoka ara-toekarena manan-danja ao amin' io firenena io i Sina. Ny fiteny sinoa mandarina dia ampianarina indrindra any amin' ny lisea sy any amin' ny oniversite.