Ny Veda dia vahoaka tompon-tany any Srilanka. Mety hantsoina hoe Beda, Vaeda, Vaniala Aetô na Vedô koa izy ireo. Ny Veda dia mifamatotra amin' ny Singaley amin' ny lafiny fiteny sy fivavahana. Antsoin' ny etnôlôga hoe "Vedôida" na "Aostralôida" ny vondron' olona any Azia Atsimo-Atsinanana izay azo heverina fa mponina tompon-tany tany amin' io faritra io, talohan' ny fahatongavan' ny vahoaka miteny dravidiana sy indô-eorôpeana, sy aostraziatika ary aostrôneziana fotoana ela dia ela taty aoriana. Ampidirin' ny etnôlôga ao amin' izany vondrona izany koa ny Negritô.

Lehiben' ny Veda
Veda tany teo anelanelan' ny taona 1870 sy 1904.
Veda tany amin' ny taona 1910.

Jereo koa hanova