Fiangonana Apôstôlika Armeniana

(tonga teto avy amin'ny Fiangonana armeniana)

Ny Fiangona Apôstôlika Armeniana na Fiangonana Armeniana dia fiangonana ôrtôdôksa anisan' ireo fiangonan' ny kônsily telo. Atao hoe Հայաստանեայց Առաքելական Եկեղեցի / Hayastaneayc’ Aṙak’elakan Ekeġec’i izy amin' ny teny armeniana.

Lôgôn' ny Fiangonana Apôstôlika Armeniana
Ny katedralin' i Etchmiadzin, fiangonana renin' ny Fiangonana Apôstôlika Armeniana.

Nandray ny arana hoe "apôstôlika" io fiangonana io satria, araka ny lovantsofina, dia naorin' ny apôstôly Joda Tadeo sy Bartôlômeo (na Bartelemy). Nanjary fiangônanam-panjakana tao amin' ny Fanjakan' i Armenia izy tamin' ny fiovam-pinoan' ny mpanjaka Tiridatesy IV (armeniana: Տրդատ Դ) tamin' ny alalan' i Gregôriôsy Fôstera (armeniana: Գրիգոր Ա Լուսաւորիչ; grika: Γρηγόριος Φωστήρ). Nampandroso ny mampiavaka manokana azy izy tamin' ny taonjato faha-6 hatramin' ny faha-18, izay nanamarin-toerana ny kristôlôjiany amin' ny fandraisany ny miafizisma. Ny patriarka ankehitriny dia i Karekin II nanomboka tamin' ny 27 Oktobra 1999.

Karekin II

Ireto koa no anarana iantsoana io fiangonana io:

  • Fiangonana Ôrtôdôksa Armeniana
  • Fiangonana Gregôriana Armeniana
  • Fiangonana Apôstôlika Armeniana Gregôriana
  • Fiangonan' i Armenia
  • Fingonana Armeniana

Jereo koa hanova