Evanjely armenianan' ny Fahazazana

Ny Evanjely armenianan' ny Fahazazana dia evanjely apokrifa voasoratra taty aoriana lavitra, izay voasoratra tsy talohan' ny taonjato faha-6, izay mitantara ny fahaterahana sy ny fahazazan' i Jesoa. Ahitana lovantsofina itambarany amin' ny Protevanjelin'i Jakoba sy ny Evanjelin'i Pseodo-Matio ary ny Evanjelin'ny Fahazazana araka an'i Tomasy ity evanjely ity.

Naka ny andalan-tsoratra tao amin' ny Testamentan' i Adama io boky io ka mamelatra ao amin' ny toko faha-11 ny ampahan-tantara momba ny fiavian' ireo mpanjaka magy izay voatantara amin' ny fomba be andinindininy sy nanonona voalohany ny anaran' ireo magy ireo, dia i Melkona (na Melkiôra) mpanjakan' ny Persiana, sy i Gaspara (na Gasparda) mpanjakan' ny Hindoa, ary i Baltazara mpanjakan' ny Arabo.

Jereo koaHanova

Ireto ny evanjelin' ny fahazazana: