Fiangonana ôrtôdôksa

Maro ireo atao hoe "fiangonana ôrtôdôksa" maneran-tany ao amin' ny fivavahana kristiana.

Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana

hanova

Ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana na Fiangonana ôrtôdôksa katôlika, izay fantatra indrindra amin' ny anarana fohy hoe Fiangonana ôrtôdôksa, dia iray amin' ireo fiangonana tranainy indrindra. Fiombonam-piangonana ôrtôdôksa maromaro izay samy niorina araka ny Kônsily fito nifandimby izay atao hoe "Fiangonan' ny kônsily fito" izy. Ny ankamaroan' ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana dia hita ao Eorôpa Andrefana sy ao Grisia (na Gresy) ary ao Kaokazy.

Fiangonana ôrtôdôksa siriaka

hanova

Ny Fiangonana ôrtôdôksa Siriaka na Patriarkata ôrtôdôksa siriakan' i Antiôkia sy ny Atsinanana manontolo dia isan' ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana (Fiangonan' ny Kônsily telo) izay manana ny renivohiny ao Antiôkia.

Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo

hanova

Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo etiôpiana

hanova

Ny Fiangonana ôrtôdôksa etiôpiana na Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo etiôpiana dia fiangonana antekalkedôniana niforona tao Etiôpia, mahaleo tena hatramin' ny taona 1959, izay miombona ao amin' ny Fiangonan' ny kônsily telo. Isan' ny fiangonana kristiana tranainy indrindra maneran-tany izy satria efa niforona tany amin' ny taonjato faha-4. Isan' ny boky kanônika ny Bokin' ny Fiakaran' i Isaia sy ny Bokin' ny Jobily ary ny Bokin' i Henôka.

Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo eritreana

hanova

Ny Fiangonana ôrtôdôksa teoahedo eritreana dia fiangonana antekalkedôniana mahaleotena. Miombona ao amin' nyFiangonan' ny kônsily telo izy. Teo ambany fahefan' ny Fiangonana etiopiana ôrtôdôksa io fiangonana io taloha nefa nifarana tamin' ny taona 1993 izany rehefa nahaleo tena izy.

Fiangonana ôrtôdôksa kôptan' i Aleksandria

hanova

Ny Fiangonana ôrtôdôksa kôptan' i Aleksandria dia fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana, tsy kalkedôniana sady mahaleo tena. Isan' ny Fiangonan' ny kônsily telo izy.

Fiangonana ôrtôdôksa manaraka fomba tandrefana

hanova

Ny Fiangonana ôrtôdôksa manaraka fomba tandrefana dia tsy isan' ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana na ny Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana.

Fiangonana ôrtôdôksa presbiteriana

hanova

Fiombonana ôrtôdôksa atsinanana

hanova

Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana

hanova

Ny Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana, izay fantatra koa amin' ny anarana hoe Fiangonana tsy kalkedôniana na Fiangonana tsy kalsedôniana, dia ireo fiangonana kristiana tranainy niorina araka ny Kônsilin' i Nikea (taona 325) sy ny Kônsily voalohan' i Kônstantinôpôly (taona 381) ka indraindray atao hoe Fiangonan' ny kônsily roa na Fiangonan' ny kônsily telo. Tsy isan' ny Fiangonana ôrtôdôksa atsinanana izany ireo atao hoe Fiangonanan' ny kônsily fito, izany hoe ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana.

Jereo koa

hanova