Fetin' ny maty
Ny Fetin' ny Maty dia fety ankalazaina ao amin' ny kolontsaina maro eran' izao tontolo izao, ho fanomezam-boninahitra na fankasitrahana ny olona maty tao amin' ny fiarahamonina, amin' ny ankapobeny izany dia tanterahina aorian' ny fotoam-pijinjana amin' ny volana Aogositra, Septambra, Ôktobra, na Nôvambra. Ao amin' ny kolontsaina maro dia misy hetsika tokana, Fetin' ny Maty, izay maharitra hatramin' ny 3 andro, natao amin' ny faran' ny Ôktôbra sy amin' ny fiandohan' ny Nôvambra; ohatra amin' izany ny Peroviana, ny mponina ao amin' ny nosin' i Pasifika, ny mponin' ny vondro-nosy Tonga, ny Persiana fahiny, ny Rômana fahiny, ary ny firenena ao amin' ny tapany avaratr’ i Eorôpa. Mankalaza ny "Día de Muertos" ny mponina any Meksika ny 31 Ôktôbra ka hatramin'ny 2 Nôvambra.
Fety manerana an' izao tontolo izao
hanovaAfrika
hanovaTany Ejipta tamin' ny Andro Taloha, ny Fetibe Wag dia natao tamin' ny fiandohan' ny volana Aogositra (fantatra amin' ny anarana hoe Ⲑⲱⲟⲩⲧ / Thout amin' ny fiteny kôpta, jereo tetiandro kôpta). Mandritra ity fety ity dia mamela sambo kely eny amin' ny ony ny olona, izany dia fomba ahatsiarovana ny fahafatesan' i Osiris sy anomezam-boninahitra ny olon-tiany nodkimandry nandritra ny diany nankany Aaru, tontolo any an-koatra.
Eorôpa
hanovaAny Eorôpa, ny mpahay tantara dia nihevitra fa ny fetin’ ny maty izay ankalazaina mandritra ny telo andro dia fahatsiarovana ny safodrano izay ampisehona, mandritra ny Halloween amin’ ny alina voalohany, ny faharatsian’ izao tontolo izao talohan' ny safodrano. Ny alina faharoa dia atao hankalazana an' ireo izay voavonjy ka tafita tamin' ny safodrano ary ny alina farany dia atao ho fanomezam-boninahitra an' ireo izay hameno ny Tany indray.
Araka ny fedrà irlandey, ny Samhain (toa an' ny Bealtaine) dia fotoana isokafan' ny "varavarana" mankany amin' ny Tontolo Hafa, ka ahafahan' ny zavaboary mihoatra ny natoraly sy ny fanahin' ny maty ho tonga eto amin' ny tontolo misy ny velona; raha fetin' ny fahavaratra ho an' ny velona ny Bealtaine, dia fetiben' ny maty kosa ny Samhain. Nomem-boninahitra koa ny maty amin' ny Samhain. Ny fiandohan' ny ririnina dia mety ho noheverina ho fotoana mety indrindra hanaovana izany, satria fotoana "maty" eo amin' ny natiora. Noheverina ho mitsidika ny tranony indray ny fanahin’ ny maty izay mitady fampiantranoana. Eo amin' ny latabatra fisakafoana sy eo akaikin' ny afo ny toerana handraisana azy ireo.
Amerika Avaratra
hanovaNy mponina ao Meksika dia mankalaza ny Día de Muertos ("Andron' ny Maty") amin' ny 31 Ôktôbra ka hatramin' ny 2 Nôvambra. Any Meksika, ny olona dia mankalaza ny fianakaviany maty amin' ny fanaingoana sy lanonana, noho izy irep mihevitra fa miverina avy any amin' ny maty izy ireo mba hifaky amin' ny alina iray miaraka amin' ny fianakaviany alohan' ny hiverenany any ankoatra indray. Ity fankalazana ity dia samy niharan' ny Allhallowtide kristiana sy ny fanao navelan' ny mponinka teratany nonina tao taloha.
Azia
hanovaAny Japàna
Amin' ny fomba amam-panao bodista japôney, ny fetibe anomezam-boninahitra ny fanahin' ny razambeny efa nodimandry dia fantatra amin' ny anarana hoe Bon na Obon izay atao amin' ny volana Jolay na Aogositra.
Any Filipina
Ho an' ny fianakaviana any Filipina, mitsidika ny olon-tiana nodimandry any amin' ny fasana ny Filipinô isaky ny 1 sy 2 Nôvambra.
Any India
Ho an' ny Hindo, ny razana dia hajaina mandritra ny Pitru Paksha. Ity fankalazana ity dia mifototra amin' ny tetiandro hindoa ary maharitra 16 andro, manandrify ny fiandohan' ny volana Septambra.
Any Sina
Any Sina, ny fety Qing Ming, Qingmingjie, izay atao amin' ny fiandohan' ny volana Avrily, dia natokana indrindra hitsidihana sy hanadiovana ny fasan' ny fianakaviana sy ny an' ny fianakaviany. Ny fetin' ny matoatoa, Zhongyuanjie, izay ankalazaina amin' ny andro faha-15 amin' ny volana fahafito, dia atokana ho an' ny "fanahy kamboty sy matoatoa dia" izay tolorana sakafo sy makahery sy lanonana ho fanafahana azy ireo.
Any Nepaly
Any Nepaly, ny fetibem-bahoaka atao hoe Gai Jatra ("fetin' ny ombivavy") dia anomezam-boninahitra ny maty, ary ankalazaina amin' ny volana Bhadra, izay daty mifanitsy amin' ny andro voalohany amin' ny volana Gunla amin' ny tetiandro nepaley. Mandritra ny Gai Jatra, ny fianakaviana tsirairay izay namoy mpikambana tamin' ny taona lasa dia manorina "gai" vita amin' ny sampana volotsangana, amin' ny fanaingoana vita amin' ny taratasy, amin' ny akanjo ary amin' ny sarin' ny maty.
Any Kôrea
Amin' ny Chuseok, fetin' ny fijinjana, amin' ny andro fahadimy ambin' ny folo amin' ny volana fahavalo amin' ny tetiandro kôreana, dia miverina any amin' ny tanindrazany ny fianakaviana ary mankalaza ny fitsingerenan' ny taona ho fanomezam-boninahitra azy ireo.
Amerika Atsimo
hanovaNy fankalazana atao hoe El Dia de los Muertos ("Andron' ny Maty") dia manana anarana maro any Amerika Atsimo anisan' izany ireto: El Día de los Difuntos ("Andron' ny Maty"); El Día de los Santos ("Andron' ny Olomasina"); Todos Santos ("Olomasina Rehetra"); El Día de las Ánimas ("Andron' ny Fanahy"); ary El Día de las Ánimas Benditas ("Andron' ny Fanahy Sambatra"). Amin' ny maha fifangaroan' ny fety pre-kôlombiana sy katôlika azy, ny El Dia de Los Muertos dia ahitana fitsidihana fasana, fandrehetana labozia mandritra ny alina, ary fanatitra ho an' ny fianakaviana efa nodimandry.
Ao amin' ny kristianisma
hanovaHo an' ny Eglizy Katôlika Rômana, ny 2 Nôvambra dia mifanitsy amin’ ny Andron' ny Maty (na Fahatsiarovana ny Mpino Nodimandry Rehetra), fankalazana ny maty miaraka amin’ ny lamesa, indrindra ho an’ ireo nodimandry tamin’ ny taon-dasa. Ny lamesa dia manana lanja ho an' ny fanadiovana amin' ny ota kely. Ity fety ity dia manana fiaviana mônastika; nankalazaina voalohany tao amin' ny Abey Cluny, teo ambanin' ny fitonrdan' i Odilon (994-1049) izay nanangana azy io. Ity andro ity dia atokana hitsidihan' ny fianakaviana ny fasana sy ny fikarakarana ny fasana.
Any Eorôpa
hanovaAny Belzika sy any Frantsa ary any Loksemborga dia ny 2 Nôvambra io andro io, saingy tsy andro tsy fiasana, fa ny 1 Nôvambra (Fetin' ny Olomasina). Ny 1 Nôvambra kosa no ivorian' ny havan',ny maty, ka miteraka fampifangaroana matetika ny Fetin' ny Olomasina rehetra sy ny Fahatsiarovana ny Mpino Nodimandry Rehetra. Matetika ny handravaka ny fasana amin',ny tavim-boninkazo misy krizantema, izay voninkazo be mpividy indrindra amin' izany andro izany.