Zavamananaina

(tonga teto avy amin'ny Zavamanan'aina)

Ny zavamananaina, amin' ny biôlôjia sy ny ekôlôjia, zavatra voajanahary izay miaina sy mizatra ny zava-misy, be pitsiny sy voalamina ary vokatry ny fiovana nifandimby nandritra ny fivoarana miandalana (evôlisiôna). Miaina sy mitombo, mihetsika, miteraka, ary mampiasana angovo ny zavamanaina. Sela velona iray na maromaro no mamorona azy (misy noho izany ny zavamananaina tokan-tsela na maro sela). Ny zavamananaina saro-drafitra, maro sela, dia voaforon' ny sela velona samihafa samy manana ny anjara asany. Manana ny asany manokana ireo sela ireo ary miara-miasa mba hisian' ny fiarahana marin-toerana azy.

Selan-javamaniry

Ny ao anatin' ny zavamananana dia misy fiota simika isankarazany mahaleo tena sady voatazona amin' ny alalan' ny famatsiana otrikanina (indraindray koa amin' ny alalan' ny angovon-kazavana), manome azy ny akora sy ny angovo ilainy, miantoka ny fanesorana ny akora sisa tsy ilaina.

Rafitry ny vatan' olombelona

Ny zavamiaina maro sela dia matetika fitambarana taova, ny taova dia fitambarana tambatsela, ny tambatsela dia fitambarana sela, ny sela dia fitambarana ôrganela, ny ôrganela dia fitambarana môlekiola, ny môlekiola dia fitambarana atôma. Ankoatra izany dia mamorona soperôrganisma ny zavamanaina sasany (ohatra vitsika, vitsikazo na aboaly, tantely).

Misy sokajy maro ny zavamananaina: ny biby (maro sela), ny holatra (maro sela), ny prôtista (marosela), ny zavamaniry (maro sela na tokan-tsela), ny bakteria (tokan-tsela), ny arkeôbakteria (tokan-tsela), ny tsimokaretina (tsy misy sela).

Jereo koa

hanova

Loharano sy fanamarihana

hanova