Ny angano dia fitantarana zavatra tsy nisy nefa namboarina ho toy ny nisy ary natao hanatsoahana fananarana, na fitantarana zava-nitranga tokoa. Karazana lahabolana tsotra, lava ary miendrika tantara foronina noho ireo dingana hita ao anatiny sy ny mpandray anjara ary ny olana sy ny vahaolana hita taratra ao amin'ny tantara ny angano.

Mbola ambangovangony  amin'ny resaka Angano sy resaka Haisoratra ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Ny angano malagasy hanova

Manana hevitra manokana ny teny malagasy hoe angano, tsy azo ampitovina fotsiny amin'ny teny frantsay hoe conte na mythe satria ireo tsy mitovy dika aminy. Ny "conte" dia entina manazava ny fiainan'olombelona avy amin'ny fanoharana azy amin'ny samy olombelona na amin'ny zavaboaary hafa. Matetika amin'izany dia misy lohateny vahavahana mandritra ny angano iray manontolo. Ohatra: "Ny tanalahy sy ny lambo". Ny fedrà ("mythe") dia karazana angano fiandohana na anganom-piforonana. Ohatra: "Ifara sy Trimobe".

Ny angano teo amin'ny Ntaolo hanova

Ny Ntaolo dia nanabe ireo taranany tamin'ny alalan'ny fitantarana angano amin'ny hariva. Isaky ny maheno angano ny ankizy dia manatsoaka lesona, mahalala zava-baovao momba ny fiainana.

Ny angano ankehitriny hanova

Ankehitriny dia mila tsy hananana ny anjara toerana notanany taloha ny angano noho ny fisian'ny fitaovana vokatry ny teknolojia vaovao toy ny sary miaina sy ny kilalao elektrônka. Tantaraina am-bava ny angano tamin'ny andro taloha fa ankehitriny dia maro ny voasoratra am-boky. Ankehitriny dia tsy mahavatra mitantara angano amin'ny zanany na ny zafikeliny na ny mpianany ny ray aman-dreny sy ny raibe na renibe ary ny mpampianatra.

Tanjon'ny fitantarana angano hanova

Fitaovana ahafahana manabe sy manefy ny maha olona ny olona ny angano. Mahatonga ny ankizy haharesy ny tahotra ao aminy sady ahazoanhy fanazavana tsotra momba ny fianana ny angano. Ahafahan'ny ankizy mizatra ireo lohahevitra lehibe toy ny fiainana sy ny fahafatesana, ny fomba amam-panao, ny fahasahiana sy ny hakanosana, ny fahantrana sy ny fananan-karena, ny tsara sy ny ratsy. Ny angano dia mitondra fahalalana momba ny teny sy ny fiteny satria heno ao daholo ireo voanteny tsy faheno andavanandro. Fitaovam-pampianarana ny angano noho izy afaka mampahatsiahy ny zava-nitranga tamin'ny fotoana lasa. Mandefa ny fisainana any amin'ny lasa ny angano.