Evanjely arabon' ny Fahazazana
(tonga teto avy amin'ny Evanjely arabon'ny Fahazazana)
Ny Evanjely arabon' ny Fahazazana izay fantatra ihany koa amin' ny anarana hoe Evanjely siriakan' ny Fahazazana na Fiainan' i Jesoa amin' ny fiteny arabo dia boky apôkrifa kristiana mitantara ny fahaterahana sy ny fahazazan' i Jesoa izay ahitana zava-mahagaga betsaka. Mety tany amin' ny taonjato faha-6 tany no nanoratana azy sady avy tamin' ny Evanjelin' ny Fahazazana araka an' i Tômasy sy ny Prôtevajelin' i Jakôba no nanoratana azy.
Heverina fa ny dika voalohan' ity soratra apôkrifa ity dia tamin' ny fiteny siriaka tamin' ny taonjato faha-5 na faha-6. Ny dikan-teny arabo navoakan' i Henry Sike tamin' ny taona 1697 tamin' ny fiteny latina no nahalalan' ny Tandrefana azy.
Azo zaraina teno ny boky:
- Ny fahaterahan' i Jesoa, izay nanao ho loharano ny Prôtevanjelin' i Jakôba;
- Ny fahagagana nandritra ny fandosirana tany Ejipta, izay mety novelarina avy ao amin' ny lovantsofim-paritra;
- Ny fahagagana nataon' i Jesoa nandritra ny fahazazany, izay aorina amin' ny Evanjelin' ny Fahazazana araka an' i Tômasy.