Epistily faharoa nosoratan' i Petera
Ny Epistily faharoa nosoratan' i Petera na Epistola faharoa nosoratan' i Piera na Taratasy faharoa nosoratan' i Piera dia boky ao amin' ny Testamenta Vaovao ao amin' ny Baiboly, izay anisan' ireo atao hoe epistily na taratasy. Atao hoe Epistily katôlika io epistily io noho izy tsy natokana ho ana fiangonana iray fa ho an' ny fiangonana rehetra sy ny olona rehetra. Miova eo anelanelan' ny taona 60 sy 160 ny fotoana heverin' ny mpikaroka fa nanoratana azy. Misy toko 3 ity boky ity.
Ny tanjon' ny mpanoratra dia ny hanohitra ny fampianarana diso tsy araka ny Soratra Masina izay nanosika ny maro tamin' ny fiainam-pilibana. Enti-manohitra izany fampiarana diso izany ny fahalalana marina an' Andriamanitra sy an' i Jesoa Kristy. Resahiny koa ny antony mbola tsy isehoan' ny fiavian' i Kristy fanindroany.
Anaran' ny boky
hanovaΔεύτερη Επιστολή Πέτρου / Deuterê Epistolê Petrou no anaran' io epistily io amin' ny teny grika fa Epistula II Petri kosa amin' ny teny latina.
Ny fanoratana sy fandraisana ilay epistily
hanovaNy mpanoratra
hanovaVoasoratra ao amin' ity epistily ity fa i "Simôna Petera, mpanompo sy apôstôlin' i Jesosy Kristy" no nanoratra azy (2Pet. 1:1), izy io koa dia vavolombelona nanatri-maso ny fiovan-tarehin' i Kristy (2Pet. 1:16-18), rahalahin' i Paoly (2Pet. 3:15) sady mpanoratra ny Epistily voalohany nosoratan' i Petera (2Pet. 3:1). Ny maha nanoratra an' io taratasy faharoa io an' i Petera dia efa nampiahiahy ny Fiangonana tany aloha sy ny ankamaroan' ny mpanampahaizana manokana. Maneho ny fahalalany tsara ny Soratra Masina (ny Testamenta Taloha) sy ny lovatsofina (na lovam-pampianarana) apôkaliptika jiosy ny mpanoratra.
Nandray ampahany be amin' ny Epistily nosoratan' i Joda (hatramin' ny Joda 2:1 ka hatramin' ny Joda 3:3) ny Epistily faharoan' i Petera.
Fotoana nanoratana
hanovaAnkehitriny dia heverin' ny mpikaroka fa voasoratra tamin' ny taona 125 taor. J.K. tany ho any ny Epistily faharoa nosoratan' i Petera. Raha marina izany dia io epistily io no soratra natao farany indrindra amin' ireo izay hita ao amin' ny Testamenta Vaovao. Mety ho ny mpianatr' i Petera no nampandry an-tsoratra an' io taratasy io.
Fandraisana ny epistily
hanovaNy fiangonana tany Aleksandria no nampiasa io epistily io voalohany alohan' ny haneken' ny fiangonana hafa azy. Io no bokin' ny Testamenta Vaovao, miaraka amin' ny Apôkalipsan' i Joany, izay tsy neken' ny Fiangonana manontolo ho anisan' ny kanônan' ny Baiboly kristiana raha tsy fotoana ela dia ela taorian' ny nanoratana azy. Tamin' ny taonjato faha-5 io taratasy io vao neken' ny ankamaroan' ny fiangonana.
Famintinana
hanovaIray tarika amin' ny sokajin-dahatsoratra atao hoe "testamenta" ny Epistily faharoa nosoratan' i Petera, fa tsy tena anisan' ny sokajy "epistily" (na "epistola" na "taratasy"). Lahateny fanaovam-beloma sahala amin' izay ataon' ny olo-malaza amin' ny fotoana ahafatesany ka ampahatsiahivany ny zava-dehibe ao amin' ny foto-pampianaram-pinoana io epistily io.
Mananatra ny Kristiana mba hanamafy ny fiantsoana azy ireo sy ny nifidianana azy ireo ny toko voalohany; ao amin' io epistily io no ahitana ny fanambaràna mazava fa tsindrimandry (na fanilovana) avy amin' ny Fanahy Masina no nanoratana ny Soratra Masina (2Pet. 1:20-21). Mampitandrina ny mpino tsy hoazon' ny fampianaran-dison' ny mpampianatra sadoka ny toko faharoa.
Miresaka ny amin' ny andro farany ny toko fahatelo; manamafy ny finoan' ny Kristiana amin' ny fiavian' i Kristy fanindroany (na parosia), izay nandrasan' izy ireo sady efa antomotra, ity taratasy ity. Ambarany anefa fa tsy mitovy ny lanjan' ny fotoana araka ny hevitr' Andriamanitra sy araka ny hevitr' olombelona (2Pet. 3:8).