Fiovan-tarehin' i Jesoa

Ny fiovan-tarehin' i Jesoa dia zava-nitranga teo amin' ny fiainan' i Jesoa Kristy tantarain' ny Testamenta Vaovao, izay nampiova ny endrik' i Jesoa ara-batana teo ka nampamirapiratra ny tarehiny teo an-tampon-tendrombohitra. Izany fiovan-tarehy izany, izay heverina ho fahagagana, dia voalaza ao amin' ny Filazantsara telo sinôptika (Matio 17:1-9, Marka 9:2-9, Lioka 9:28-36) sy ao amin' ny Epistily faharoa nosoratan' i Petera (2Pet 1:16–18). Izany, araka ny kristianisma, dia ny tandindon' ny toetry ny vatana ambara amin' ny mpino ny amin' ny fitsanganany amin' ny maty.

Fiovan-terehin' i Jesoa, sary nataon' i Carl Bloch.

Ao amin' ny fitantarana ao amin' ny Filazantsara, i Jesoa sy ny telo tamin' ny Apôstôliny, dia i Petera sy i Jakoba ary i Joany, dia nankany amin' ny tendrombohitra iray (antsoina hoe Tendrombohitry ny Fiovan-Tarehy) mba hivavaka. Teo an-tampon’ ny tendrombohitra dia nanomboka namirapiratra niatraka amin' ny tara-pahazavana mamirapiratra i Jesoa. Avy eo dia niseho koa ny olo-malaza ao amin' ny Testamenta Taloha: i Mosesy sy Elia, ka niresaka tamin' izy ireo izy. Samy nanana ny anjara asany momba ny eskatôlôjia ireo olona roa ireo: maneho ny Lalàna sy ny mpaminany izy ireo. Avy eo ny feon' Andriamanitra Ray niantso an' i Jesoa hoe "Zanaka", toy ny tamin' ny fanaovam-batisa an' i Jesoa.

Ao amin’ ny teny grika kôine tany am-boalohany, ny teny hoe μετεμορφώθη / metemorphōthē, izay midika hoe "niova izy” na "novana izy", dia ampiasaina hilazana ilay zava-nitranga ao amin’ ny Filazantsara araka an' i Lioka sy Filazantsara araka an' i Marka. Ao amin' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Grika, izany zava-nitranga izany izany dia antsoina hoe metamorphosis.

Fombam-pivavahana kristianina maro, anisan' izany ny Ôrtôdôksa Tatsinanana, ny Eglizy Katôlika, ny Loterana ary ny Anglikana, no mankalaza an' ilay zava-nitranga amin' ny Fetin' ny Fiovan-Tarehy, izay fety lehibe. Ny fetin' ny Fiovan-tarehy dia ankalazaina amin' ny 6 Aogositra ao amin' ny kalandrie litorjika katôlika sy ôrtôdôksa. Fiangonana prôtestanta maro no mankalaza izany amin' ny Alahady farany amin' ny vanim-potoan' ny Epifania.