I Eber-Nāri na Abar-Naharā na Aber Nahra naʿĒḇer haNāhār, ara-bakiteny "eny an-dafin' ny ony", dia faritra any an-dafin’ i Eofrata rehefa jerena avy any atsinanana. Mifanandrify amin' ny ampahany amin' i Libanona, i Siria, i Israely, i Palestina ary i Jôrdania amin' izao fotoana izao izy io. Ny hoe 𒆳𒂊𒄵𒀀𒇉 / Eber-Nāri dia anaran' ilay faritra amin' ny teny akadiana, ny hoe 𐡏𐡁𐡓 𐡍𐡄𐡓𐡄‎ / Avar Naharā dia anarany amin' ny teny arameana, ny hoe Aber Nahra dia anarany amin' ny teny siriaka, ary ny hoe עבר הנהר / ʿĒḇer haNāhār dia anarany amin' ny teny hebreo.

I Eben Nari dia toa satrapia tao amin' ny Empira Persiana. Indraindray ny sata mifehy azy ara-pitantanana dia toa nifamatotra amin' ny satrapia na faritra hafa: niaraka amin' ny satrapian' i Babilônia (nanomboka tamin' ny taona 535 tal. JK, tamin' ny fitondran' i Kirosy), niaraka amin' ny satrapian' i Kilikia (manodidina ny taona 344, tamin' ny fitodran' i Artaksersesy III). Toa nahaleo tena ara-pitantanana koa izy io (tokony ho 486 tal JK, tamin' ny andron' i Ksersesy).

I Eben Nari dia nahitana vahoaka avy amin' ny faritra maro, nanana kolontsaina samy hafa, izay niara-nonina tao amin' io fizaràn-tany midadasika io: i Fenisia, i Filistina, i Jodà, i Samaria, ny tanin' i Edôma izay lasa Idomea tatỳ aoriana, i Môaba, ny tanin' i Amôna.