I Dubai no tanàna voalohany ao amin' ny Emirata Arabo Mitambatra (mialoha ny renivohitra federaly Abu Dhabi). Any amin' ny Hoala Persika no misy azy, renivohitry ny Emiratan' i Dubai, ary misy mponina maherin' ny telo tapitrisa. Atao hoe دبي / Dubayy, izy amin' ny teny arabo. I Dubai, miaraka amin' ny tanànan' i Sharjah sy i Ajman ary i Umm al-Qaiwain, dia mamorona tangoron-tanàn-dehibe ahitana mponina mihoatra ny 3,5 tapitrisa tamin' ny taona 2022. Ireo tanàna efatra ireo dia samy renivohitry ny emirata misy azy tsirairay avy, I Dubai koa no seranan-tsambo lehibe indrindra ao amin' ilay firenena.

Avy any ambony ka hatrany ambany ary ankavia miankavanana: Khor Dubai, endri-paritra ahitana an' i Burj Khalifa, ny Palm Islands ary ny The World, ny Burj al-Arab, fiara 4x4 any an' efitra ary i Marina Dubai.

Niorina tamin' ny taonjato faha-18 i Dubai, nijanona ho tanàna antonony mitoka-monina amin' izao tontolo izao, izay niaina tamin' ny fanjonoana perla tamin' ny faran' ny taonjato faha-19. Tamin' izany fotoana izany, i Dubai sy ny emirata izay nanodidina azy dia nitombo lanja tamin' ny fandraisana anjara amin' ny fananganana ny Trucial States tamin' ny taona 1853.

Nandalo fotoan-tsarotra izy teo anelanelan' ny ady lehibe roa, talohan' ny naha tanàna môderina azy tamin' ny tapany faharoa amin' ny taonjato faha-20. Nandray anjara amin' ny fananganana ny Emirata Arabo Mitambatra amin' izao fotoana izao izy tamin' ny taona 1971. Ny emirany no filoha lefitra ao amin' ilay firenena.

Na dia tsy renivohitry ny Emirata Arabo Mitambatra aza i Dubai dia lasa tanàna malaza indrindra ao amin' ilay federasiôna. Izany lazany izany dia noho ny fampahalalany momba ny tetikasa fizahan-tany toy ny trano fandraisam-bahiny Burj-al-Arab, hôtely mirentirenty indrindra any Dubai, noho ny hagoavan' ny tetik' asa fananan-tany toa an' i Palm Islands, saikanosy sy tangoro-nosy voatr' olombelona miendrika hazo rofia, i The World, tangoro-nosy voatr' olombelona izay miendrika sarintanin' izao tontolo izao, i Dubai Marina izay ahitana maritrano manokana sy goavana, na ny tranobe avo indrindra eran-tany, dia ny Burj Khalifa. Ireo tetikasa ireo, izay nambaran' ny governemanta, dia aseho ho fitaovana hahatongavany ho toerana hovantanina momba ny fizahan-tany avo lenta voalohany indrindra eran-tany ary ho lasa iray amin' ireo foibe manerantanin' ny fizahan-tany ho an' ny fianakaviana, momba ny fandraharahana, momba ny varotra, sns.

I Dubai dia 130 km avaratra-atsinanan' ny renivohitry ny federasiôna Abu Dhabi, 362 km any andrefana-avaratra-andrefan' i Muscat ary 60 km miala ny sisintany manasaraka amin' i Ômàna, 864 km atsinanan' i Riyadh ary 1 226 km atsimo-atsinanan' i Tehran. I Dubai dia naorina tao amin' ny oliky ny tanan-dranomasina, i Khor Dubai, izay miditra any amin' ny tany efitra ary misy seranan-tsambo voajanahary. Ny afovoan-tanàna, izay mitazona toetra arabo, dia ahitana trano kely sy arabe tery. Ny distrika vaovao maromaro dia miparitaka tany an-tany efitra sy manaraka ny morontsiraka andrefana mianatsimo ary mampiseho tangoron-tanàn-dehibe midadasika miaraka amin' i Ali, i Umm Suqeim, i Barsha, i Jumeirah, i Bur Dubai ary i Deira.

Ireo vakin-tanàna vaovao ireo, izay noforonina hatrany am-boalohany, dia ahitana trano lehibe sy trano fonenana mihaja ary tranon' olona manokana. Izy ireo dia hita any atsimo amin' ny lafiny roa amin' ny lalana Sheikh Zayed, izay lalana lehibe indrindra ao amin' ny Emira Arabo Mitambatra ary ivon-tanàna amin' ny hoavy. Manamorona an' ity lalana ity ny trano avo mjoalajoala (miisa 573 ao amin' ilay emiratea), ary ity lalana ity dia mampifandray ny faritra misy toaram-ponenana ao amin' ny toeram-pizahan-tany naorina na eo am-panorenana any atsimon' ilay tanàna: Palm Islands, The World, Dubai Waterfront, Ski Dubai, Dubai Marina, Dubai Mall, Burj al- Arab Hotel, Burj Khalifa, Dubailand, sns.

Jereo koa hanova