Ny Ady Lehibe dia ady mitam-piadiana ifanandrinan’ ny tafiky ny firenena maro avy amin’ ny kôntinenta maro. Ny Ady Lehibe Voalohany (1914-1918) sy ny Ady Lehibe Faharoa (1939-1945) izay nitranga tamin’ ny taonjato faha-20 no tena ampiasana ny teny hoe "ady lehibe", ady izay niteraka fahavoazana lehibe tsy fahita, nanjo ny olombelona sy ny zavatra hafa eto ambonin’ ny tany.

Misy ady efa tany aloha izay lazaina taty aoriana fa "ady lehibe" koa, ka isan’ izany ny Ady Neerlandô-Pôrtogey sy ny Ady Fito Taona ary ny Ady Napôleôniana.

Ny andian-teny hoe "Ady Lehibe Fahatelo" dia indraindray ampiasaina mba hanondroana ny ady lehibe vaovao mboa vinavinaim-pisiana na ireo ady somary lehibe ihany tamin’ ny vanim-potoana nanomboka teo amin’ ny taona 1945, indrindraindrindra ny Ady Mangatsiaka sy ny ady amin' ny asa fampihorohoroana.

Jereo koa hanova