I Abu Dhabi dia renivohitry ny Emiratan' i Abu Dhabi sy ny Emirata Arabo Mitambatra. Amine' ny teny arabo izy dia أبو ظبي / ʼAbū Ẓaby, izay midika ara-bakiteny hoe "Rain' ny Gazela".

Ny tanànan' i Abu Dhabi

Na dia hita soritra aza ny sivilizasiôna an' arivony taona maro tal. JK, dia tsy nisy mponina nitohy ilay faritra raha tsy tamin' ny taonjato faha-18. Tamin' ny taonjato faha-20 no nahitana fitomboana lehibe ilay tanàna, noho ny fidiram-bola amin' ny fitrandrahana ny solitany.

Ankehitriny i Abu Dhabi, izay misy mponina 1, 483 tapitrisa, no tanàna fahatelo ao amin' ny Emirata Arabo Mitambatra, aorian' i Sharjah sy Dubai. Foibe ara-pôlitika sy araka indostrian' ilayy federasiona izy io, ary foibe ara-kolontsaina sy ara-barotra lehibe ao amin' ny Hoala Persika, noho ny maha renivohitra azy.

Jereo koa hanova