Ras al-Khaimah (emirata)

I Ras al-Khaimah na Ras Al Khaimah dia iray amin' ireo emirata fito mandrafitra ny Emirata Arabo Mitambatra. Ny tanànan' i Ras Al Khaimah no renivohiny sady fonenan' ny ankamaroan' ny mponina ao amin' ilay emirata. Mifandray amin' ny seranan-tsambo ara-barotra islamikan' i Julfar izy. Amin' ny teny arabo izy dia atao hoe رأس الخيمة / [raʔs lˈxajma]. Manamorona ny sisin-tanin' i Musandam ao Ômàna ilay emirata, ary maka ampahany amin' io saikanosy io. Mandrakotra velarana mirefy 2 486 km2 izy ary manana tora-pasika amoron-dranomasina mirefy 64 km. Tamin' ny taona 2015 izy dia nisy mponina 345 000 eo ho eo.

Ny Emiratan' i Ras al-Khaimah

Ny tanànan' i Ras Al Khaimah dia manana faritra roa lehibe - ny Tanàna Tranainy sy i Nakheel - eo amin' ny andaniny roa amin' ny renirano iray misy ala honko ary voaravaky ny Tendrombohitra Hajar Avaratra-Andrefana. Ity emirate ity koa dia ahitana vohitra kely maromaro toa ny vohitra Al Hamra sy i Mina Al Arab. Ity emirata ity dia ahitana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ras Al Khaimah. Ahitana ny tapany avaratra (izay misy ny tanànan' i Ras Al Khaimah sy ny ankamaroan' ny tanàna) ary ny faritra ivelany mitoka-monina lehibe any atsimo (akaikin' i Hatta izay faritra ivelany mitoka-monina an' i Dubai), ary nosy kely vitsivitsy ao amin' ny Hoala Persika. I Ras Al Khaimah no manana ny tany lonaka indrindra ao amin' ilay firenena, noho ny ampahany betsaka amin' ny rotsak' orana sy ny rano ambanin' ny tany avy any amin' ny Tendrombohitra Hajar, izay mitazana ny tanàna avy amin' ny lafiny misy ny tany.

Jereo koa hanova