Ny rofia dia karazan-javamaniry ao amin' ny fianakavian-javamaniry Arecaceae izay hita amin' ny toerana feno honahona sy eny amoron-drano, avy aty Afrika, indrindra eto Madagasikara. Ny rofia eto Madagasikara (Raphia farinifera) dia maty taho rehefa avy namoa fa mbola velona kosa ny fakany, ka mamoaka solofo vaovao ary ahazoana tsiraka zavamaniry ny raviny. Ny ravin' ny Raffia regalis dia mety hahatratra 25 m amin' ny 4 m, ka mahatonga azy ireo ho ravina lava indrindra amin' ny zavamaniry rehetra.

Raphia australis