Bokin' i Samoela

(tonga teto avy amin'ny Bokin'i Samoela)

Ny Bokin' i Samoela dia boky ao amin’ ny Baiboly hebreo (Tanakh) izay nosarahana roa ao amin’ ny Baiboly kristiana ka nahazoana ny Boky voalohany sy ny Boky faharoan’ i Samoela. Mitantara ny fanombohan’ ny fitondrà-mpanjaka voalohany tao amin’ ny Israelita tany Kanaana sy ny adiny tamin’ ny firenena fahavalony ny boky. Resahiny ny fahotana nataon’ i Saoly sy i Davida, mpanjaka roa voalohany, izay niteraka olana teo amin’ ny fitondrany sy ny fireneny. Resahin' io boky io koa na ny herin’ ny mpanjaka Davida sy ny fahendreny, na ny fahalemeny sy ny fahotany ary ny vokatr’ izany rehetra izany. Nefa na dia tsy fanaperana ny toetr’ i Davida dia tsy niala tamin’ Andriamanitra sady tsy nidera afa-tsy i Yahweh izy.

Ny anaran' ny boky hanova

Amin’ ny teny hebreo dia Sefer Shamuel no iantsoana io boky. Ny Septanta (na Septoaginta) no nanasaraka ny Bokin’i Samoela ho roa (tahaka ny Bokin' ny Mpanjaka koa) – ka ny boky tsirairay azo araka izany dia nataony hoe Bokin’ ny Fanjakana. Ny Boky voalohany sy faharoan’ i Samoela sy ny Boky voalohany sy faharoan’ ny Mpanjaka dia natao hoe Boky voalohany ka hatramin’ ny Boky fahefatry ny Fanjakana. Natao izany fizaràna izany satria ho lava loatra raha mbola nitambatra. Ny Samoela voalohany sy ny Samoela faharoa sy ny Mpanjaka voalohany ary ny Mpanjaka faharoa dia atao hoe Boky voalohany sy faharoa sy fahatelo ary fahefatry ny Fanjakana.

Septoaginta sy Volgata Baiboly hebreo Baiboly kristiana ankehitriny
Bokin'ny Fanjakana

(Libri Regnum)

Boky voalohan'ny Fanjakana

(Α' Βασιλειών)

Bokin'i Samoela

(Sefer Shamuel)

Boky voalohan'i Samoela
Boky faharoan'ny Fanjakana

(Β' Βασιλειών)

Boky faharoan'i Samoela
Boky fahatelon'ny Fanjakana

(Γ' Βασιλειών)

Bokin'ny Mpanjaka

(Sefer Melakhim)

Boky voalohan'ny Mpanjaka
Boky fahefatry ny Fanjakana

(Δ' Βασιλειών)

Boky faharoan'ny Mpanjaka

Ny fanoratana ny boky hanova

Ny mpanoratra hanova

Araka ny lovantsofina dia telo ny olona atao hoe nanoratra ny boky: i Samoela sy i Gada ary i Natana. Ny mpikarona momba ny Baiboly anefa dia milaza fa olona marobe no nanoratra ny boky.

Ny fotoana nanoratana hanova

Araka ny fikarohan’ireo manam-pahaizana dia tsy tamin’ny fotoana mitohy iray fa tanatin’ny taonjato maro (faha-8 sy faha-7 ary fah-6 tal. J.K.) no naniratana ny boky.

Jereo koa hanova