Bokin'ny Fanjakana (Baiboly)
Bokin'ny Fanjakàna no anarana iantsoana ireo boky efatra ao amin'ny Baiboly dia ny Boky voalohan'i Samoela hatramin'ny Boky faharoan'ny Mpanjaka ao amin'ny dikan-teny grikan'ny Testamenta Taloha atao hoe Septanta na Septoaginta. Ao amin'ny Septanta ny Boky voalohan'i Samoela dia atao hoe Boky voalohan'ny Fanjakana (grika: Α' Βασιλειών), ny Boky faharoan'i Samoela dia Boky faharoan'ny Fanjakana (grika: Β' Βασιλειών), ny Boky voalohan'ny Mpanjaka dia ny Boky fahatelon'ny Fanjakana (grika: Γ' Βασιλειών) ary ny Boky faharoan'ny Mpanjaka dia Boky fahefatry ny Fanjakana (grika: Δ' Βασιλειών).
Septoaginta sy Volgata | Baiboly hebreo | Baiboly kristiana ankehitriny | |
Bokin'ny Fanjakana
(Libri Regnum) |
Boky voalohan'ny Fanjakana
(Α' Βασιλειών) |
Bokin'i Samoela
(Sefer Shamuel) |
Boky voalohan'i Samoela |
Boky faharoan'ny Fanjakana
(Β' Βασιλειών) |
Boky faharoan'i Samoela | ||
Boky fahatelon'ny Fanjakana
(Γ' Βασιλειών) |
Bokin'ny Mpanjaka
(Sefer Melakhim) |
Boky voalohan'ny Mpanjaka | |
Boky fahefatry ny Fanjakana
(Δ' Βασιλειών) |
Boky faharoan'ny Mpanjaka |