Bodisma ao Indônezia
Ny bodisma ao Indônezia dia iray amin' ny fivavahana dimy eken' ny fitondrana indôneziana sady tsy maintsy isafidian' ny olom-pirenena indôneziana hosoratana ao amin' ny karapanondrony, tamin' ny andron' i Soeharto. Tamin' ny taona 1998 dia ny 88 %n' ny Indôneziana dia Mozilmana, ny 5 % Prôtestanta, ny 3 % Katôlika, ny 2 % Hindo, ny 1 % Bodista ary ny 1 % sisa dia ifampizaràn' ny fivavahana hafa.
Tsy mandao ny fananany singan-kolontsaina hindo sy bodista, izay nolovany tamin' ny Andro Taloha, i Indônezia. Ahitana taratra izany ny fampiasan' ny Repoblika ilay tombokase atao hoe Garuda (vorona ao amin' ny fedrà hindo izay ampiasaina ho fiara (vāhana) hitaingenan' i Vishnu mankety ambonin' ny tany, sy ny anaran' ny kômpaniam-pitaterana an-kabakabaka atao hoe Garuda Indonesia.
Tantara
hanovaEfa fivavanan' ny mponina tao Indônezia tamin' ny Andro Taloha ny bodisma, araka ny hita amin' zavatra miorina isankarazany momba ny fivavana bodista, ka ny malaza indrindra amin' izany dia ny tempolin' i Borobudur. Tamin' ny taonjato faha-7 dia nijanona tao Sriwijaya (atao ankehitriny hoe Palembang) ao atsimlon' i Sumatra, ilay monka (na moàna) bodista sinoa atao hoe I-Tsing (na Yi Jing) raha teny an-dalana ho any India.
Tamin' ny taona 1934 dia nankany amin' izay atao ankehitriny hoe India Neerlandey ny misiôneran' i Ceylan (atao ankehitriny hoe Srilanka) atao hoe Narada Thera, raha nandeha mba hampiely ny fampianarana bodista (na dharma) any Azia Atsimo-Atsinanana. Fotoana nahafahan' ny Bodista eo an-toerana hampiaina indray ny fivavahany izany. Nisy ny lanonam-panorenana ny hazo bodhi tao Borobudur tamin' ny taona 1934 teo ambany fitsofan-dranon' i Narda Thera, ary upasakas maro no nohosorana ho monka (na moanina).
Nisy monka atao hoe Ashin Jinarakkhita nitety an' i Indônezia mba hampiely ny dharma tamin' ny taona 1955. Hatramin' izay dia nisy fifohazana indray ny bodisma teravada tao Indônezia izay notarihin' ny monka nahazo fiofanana tany Tailandy, nanampy ny bodisma mahaiana. Ankehitriny dia misy Bodista miisa eo anelanelan' ny 2 sy 3 tapitrisa ny ao Indônezia, izay miparitaka manerana ilay saikanosy.