Kristianisma ao Indônezia

Ny kristianisma ao Indônezia no fivavahana faharoa lehibe indrindra aorian' ny silamo ao amin' io firenena io raha ny isan' ny mpino ao aminy no heverina.

Fiangonana Betlehem any Wamena, Faritany Papua

I Indônezia ihany koa no firenena faharoa manana ny Kristiana betsaka indrindra any Azia Atsimo-Atsinanana aorian' i Filipina, sady firenena voalohany manana Prôtestanta betsaka indrindra any Azia Atsimo-Atsinanana, ary firenena fahatelo manana Kristiana betsaka indrindra any Azia aorian' i Filipina sy i Sina. I Indônezia ihany koa no firenena faharoa manana mponina kristiana betsaka indrindra ao amin' ny Tontolo Silamo, aorian' i Nizeria, arahin' i Ejipta.

Tamin' ny taona 2018 dia nisy mpino maherin' ny 28 tapitrisa, na 10,7 % eo ho eo amin' ny mponina, ny kristianisma, ka ny 70,81% amin' izany dia Prôtestanta fa ny 29,19 % kosa Katôlika. Tamin' ny taona 2023 kosa dia 29,4 tapitrisa ny Kristiana ao Indônezia, izany hoe 10,47 % amin' ny mponina ao amin' ilay firenena, ka 7,41 % ny Prôtestanta (20,8 tapitrisa) ary 3,06 % ny Katôlika (8,6 tapitrisa). Ny Kristiana no maro anisa any amin' ny faritany sasany any Indônezia.

Any Indônezia, ny teny hoe Kristen (ara-bakiteny "Kristiana") dia ilazana ny prôtestantisma, fa ny katôlisisma kosa dia antsoina hoe Katolik. Nitombo ny tahan' ny fitomboana sy ny fielezan' ny kristianisma tamin' ny taonjato faha-21, indrindra teo amin' ny Sinoa vitsy anisa.

Ny mpahay tantara sasany dia milaza fa efa hatramin' ny kristianisma voalohany sy tamin' ny fitoriana ny filazantsara nataon' ny Nestôriana ny tantaran' ny kristianisma indôneziana, teo anelanelan' ny taonjato faha-7 sy faha-11. Azo antoka fa nampidirin' ny Katôlika pôrtogey tao amin' ilay vondronosy ny kristianisma tamin' ny taonjato faha-16. Nanomboka tamin' ny taonjato faha-17, ny fandraisana anjaran' ny Kômpania Neerlandein' ny India Atsinanana (neerlandey: Vereenigde Oostindische Compagnie; anglisy: Dutch East India Company; frantsay: Compagnie néerlandaise des Indes orientales) dia nitondra Prôtestanta hôlandey izay nihabetsaka hatrany tamin' ny famoronana ny India Atsinanana Neerlandey (neerlandey: Nederlands-Indië; anglisy: Dutch East Indies; frantsay: Indes orientales néerlandaises).

Tsy misy raorao amin' ny ankapobeny ny fiaraha-monina eo amin' ny Kristiana sy ny Mozilmana any Indônezia. Na izany aza dia nisy ady niteraka faty olona teo amin' ny ireo vondrona roa ireo tamin' ny fiafaran' ny taonjato faha-20 sy ny fiandohan' ny taonjato faha-21, noho ny antony ara-pôlitika sy ara-toekarena indrindraindrindra fa tsy noho ny fivavahana, nefa novoizina ny mana Kristiana na maha Mozilmana hanamafisana ilay ady.

Jereo koa

hanova