Antokon-kintana

(tonga teto avy amin'ny Atonton-kintana)

Ny antokon-kintana dia vondron-kintana hita ho toa mifanakaiky sady ampifandraisin'ny eritreritra araka ny kolontsaina sy ny sivilizasiôna amin' ny alalan' ny tsipika tsy hita maso ka manome endrika voafaritra. Hatramin' izay nisian' ny tantara dia nampiasain' ny olombelona amin' ny fandrefesana eny amin' ny lanitra sy ety an-tany ny antokon-kintana sady niforonan' ny fedrà maro.

Ny antokon-kintan' ny Ondrilahy

Amin' izao fotoana izao dia nozarain' ny Fiombonana Iraisam-pirenena momba ny Haikintana (frantsay: Union astronomique internationale - UAI) ho antokon-kintana 88 ny kintana eny amin' ny lanitra. Ireo rehetra ireo dia nozaraina amin' ny ila-bolan-danitra atsimo sy ny ila-bolan-danitra avaratra ka misy noho izany ny antokon-kintana avaratra sy ny antokon-kintana atsimo.

Antokon-kintan' ny zôdiaka

hanova

Ny anaran' ny antokon-kintan' ny zôdiaka

hanova

Ny antokon-kintan' ny zôdiaka dia ampahany amin' ny antokon-kintana rehetra izay hoatry ny andalovan' ny Masoandro sy ny planeta miaraka aminy. Ireto ny anaran' ny antokon-kintana telo ambin' ny folon' ny zôdiaka amin' ny fiteny latina: Aries ("ondrilahy"), Taurus ("ombilahy"), Gemini ("kambana"), Cancer ("foza"), Leo ("liona"), Virgo ("virjiny"), Libra ("mizana"), Scorpio ("maingoka"), Ophiuchus ("bibilava"), Sagittarius ("mpitifitra tsipìka"), Capricornus ("tandrok' osy"), Aquarius ("mpitondra rano") ary ny Pisces ("trondro"). Ny roa ambin' ny folo amin' ireo ihany no tena ampiasaina amin' ny fanandroana, tsy anisany ny Ophiuchus ("bibilava"), ka izao ny anarany amin' ny fiteny malagasy sy arabo:

Teny latina Teny malagasy Teny arabo
Aries Alahamady Al-Hamal
Taurus Adaoro Ath-Thur
Gemini Adizaoza Al-Djuza
Cancer Asorotany As-Saratan
Leo Alahasaty Al-Asad
Virgo Asombola As-Sumbul
Libra Adimizana Al- Mizan
Scorpio Alakarabo Al-Akrab
Sagittarius Alakaosy Al-Kaus
Capricornus Adijady Al-Djadi
Aquarius Adalo Al-Dalu
Pisces Alohotsy Al-Hut

Fotoana andalovan' ny masoandro

hanova

Tsy mifanaraka amin' ny fotoana mifanandrify amin' ny evan' ny zôdiaka mikisaka (ilay ampiasain' ny mpanandro tandrefana) ny fotoana andalovan' ny masoandro ao amin' ny fari-danitry ny antokon-kintana mitovy anarana amin' ireo eva ireo. Amin' ny ankapobeny dia mandroso iray volana mialoha ny fotoan' ny evan' ny zôdiaka mikisaka raha mitaha amin' ny antokon-kintan' ny zôdiaka.

Jereo koa

hanova