Adalo (antokon-kintana)

Ny Adalo dia antokon-kintan'ny zodiaka andalovan'ny masoandro amin'ny 16 Febroary hatramin'ny 11 Marsa. Ny antokon-kintan'ny Adijady no eo andrefany fa ny an'ny Alohotsy kosa no eo atsinanany.

Antokon-kintan'ny Adalo
Antokon-kintan'ny Adalo

Avy amin'ny anaran'antokon-kintan'ny zodiaka amin'ny teny arabo hoe ادلو / Al-Dalu ("mpanidin-drano") ny hoe Adalo. Io antokon-kintana io dia atao amin'ny teny latina sy anglisy hoe Aquarius na amin'ny teny frantsay hoe Verseau. Amin'ny teny grika izy dia atao hoe Υδροχόος / Hudrokhoos (na Hydrokhoos) . Amin'ny teny soahily dia atao hoe Dalu na Ndoo io antokon-kintana io. Amin'ny teny maley dia atao hoe Dalwu na Timba koa izy.

Ny evan'ny zodiaka Adalo, mitovy anarana aminy, izay ampiasaina ao amin'ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana, dia andalovan'ny masoandro amin'ny 21 Janoary hatramin'ny 19 Febroary.

Jereo koa:Hanova