Ny asfalta dia akora miloko mainty, saika tsy tantera-drano, azo ampitahaina amin' ny feta, natao handrakofana ny arabe sy ny sisin-dalana, atao hahatonga ny fitaovana fitahirizan-drano sy ny dobo filomanosana ho tsy tantera-drano, ampiasaina amin' ny fandrakofana. Miseho amin' ny endrika mivaingana ka hatramin' ny madity toy ny feta izy. Raha hafanaina amin' ny maripana 100 °C izy dia lasa ranoka ary azo aidina sy aely.

Hatramin' ny faran' ny taonjato faha-20, ny asfalta voajanahary dia marihitra loatra ka tsy azo trandrahana afa-tsy amin' ny fitrandrahana mahazara (kariera). Eto: Fitrandrahana atao amin' ny tanana ny tahirin' asfalta voajanahary (Pitch Lake, nosy Trinidad, tamin' ny taona 1912).

Ao amin' ny jeôlôjia, ny asfalta voajanahary dia solitany mavesatra dia mavesatra izay mety madity dia madity na mivaingana.  Io karazana solitany faran' izay mavesatra io dia avy amin' ny kerôzenina simban’ ny hafanana, hita ao anatin' ny toerana be fasika na be vatosokay; ny vatosokay amin' izany dia milona amin' ny molanga tanteraka (matetika molanga ny 12 % eo ho eo).

Ny asfalta dia tsy maintsy entina mafana amin' ny kamiao manokana, mba hampiasana azy amin' ny endrika miranoka.

Tsy tokony tsy hampitovina amin' ny tara, izay zavatra mainty azo avy amin' ny arintany na hazo na zavatra hafa, ny asfalta.

Asfalta ampiasaina ho fitaovana fanambarana ny rarivato.

Tokony havahana ny asfalta voajanahary sy ny asfalta avy amin' ny fisitiliana. Ny asfalta voajanahary dia vatosokay malefaka misy molanga 16 hatramin' ny 20 %, azo avy amin' ny toeram-pitrandrahana, izay potehina sy kosehina miaraka amin' ny fasika, hafanaina hatramin' ny 250 °C ka atokana hanentsemana ny tafo tsy ho tantera-drano. Ny asfalta avy amin' ny fisitiliana voalohany kosa dia azo amin' ny hidrôkarbiora sisa tavela amin' ny fanadiovana solitany, mifangaro amin' ny vatosokay voapotipotika lasa vovoka sy ny poti-bato, ka ampiasaina amin' ny fandrakofana lalana.

Ny asfalta voajanahary dia efa nampiasaina tamin' ny Andro Taloha. Nampiasain' ny Babilôniana amin' ny fanorenana izy, ary imbetsaka izy io no resahina ao amin' ny Baiboly ho fitaovana fanentsemana ny loaka (ao amin' ny Genesisy sy Eksôdôsy.

Ny fampiasana asfalta dia nanjary nivelatra indrindra tamin' ny fandrosoan’ ny fanamboarana fiara: ahafahana mampihena be ny fahasimban' ny lalana sy mampihena ny vovoka amin' ny fifamoivoizana.

Jereo koa hanova