Ny molanga dia fangarona hidrôkarbiora sy akora tsy metaly avy amin’ izy ireo izay hita eo amin' ny natiora ary azo amboarina amin' ny indostria amin' ny alalan' ny fisitiliana ny solitany tsy mbola voadio sasany koa.

Molanga voajanahary avy eny amin' ny Ranomasina Maty.

Ny solitany tsy mbola voadio, ny asfalta ary ny tara dia molanga, izay manana loko mampiavaka miovaova avy amin' ny manja antitra mankamin' ny mainty, ary misy azôta, ôksizenina na solfiora kely. Amin' ny heviny mifintina, ny teny hoe molanga dia manondro ny hidrôkarbiora misy amin' ny endrika mivaingana na malemilemy, fa amin' ny heviny malalaka kokoa dia manondro ny hidrôkarbiora voajanahary rehetra, izay mety ho hita amin' ny endrika ranoka na etona. Amin' ny fiteny andavanandro dia matetika izy io no afangaro amin' ny ny tara izay avy amin' ny arintany, na ny asfalta fanamboaran-dalana izay anisan' ny singa mamorona azy fotsiny.

Ny molanga, hita amin'ny toerana maro maneran-tany, dia hita ao amin'ny sosona jeôlôjika rehetra.

Ny molanga dia azo atsiranoka amin' ny alalan' ny hafanana ary miraikitra amin' ny zavatra petahana azy. Manana toetra fizika sy simika maromaro izay azon' ny olombelona ampiasaina hatramin' ny Andro Taloha izy.

Amin' ny fiteny andavanandro dia matetika izy io no afangaro amin' ny ny tara izay avy amin' ny arintany, na ny asfalta fanamboaran-dalana izay anisan' ny singa mamorona azy fotsiny.

Jereo koa hanova

  • Tara