Antsirabe
19°51′57″S 47°02′00″E / 19.865860°S 47.033330°E
Antsirabe | ||
Velarantany | 180 km2 | |
Isam-ponina | 265 018 mponina | |
Tanànan-dehibe | NC | |
Ben'ny tanàna | NC | |
Firenena | Madagasikara | |
Faritany | Antananarivo | |
Faritra | Vakinankaratra |
Antsirabe dia tanana fahatelo lehibe ao Madagasikara raha ny isan'ny mponina no jerena.
Jeografia
hanovaEo amin'ny afovoan'ny nosy no misy azy, 168 km atsimon'Antananarivo manaraka ny lalam-pirenena faha-7. Renivohitry ny faritr'i Vakinankaratra izy. Araka ny fanisana natao ny Janoary 2005 dia manodidina ny 182 804 ireo mponina ao. Amin'ny haavo (altitude) 1 500 metatra Antsirabe ka voahodidina "volcan" izy. Antsirabe no tanàna mangatsiaka indrindra ao Madagasikara ka tonga hatrany amin'ny 0°C rehefa ririnina.
Manana seranam-piaramanidina Antsirabe.
Tantara
hanovaAntsirabe dia midika hoe "ilay feno sira".Io anarana io dia avy amin'ny nahitana ilay rano misy sira. Ilay tanàna dia namboarin'ilay misionera norvezianina tamin'ny faran'ny taonjato faha-19, izay, angamba nahita ilay fahagagana izay tsy takatrin' ny saina, izany hoe, ilay rano tany Antsirabe dia anisan'ny rano mahery eran-tany. Taloha, ny mpanjana-tany vazaha dia nanitatra ilay hevitra hatramin'ny farany
Indostria
hanovaAntsirabe no faritra be orinasa indrindra, ary azo lazaina fa renivohitry ny indostria malagasy.
- TIKO (Tena Izy Ka Omeko) : orinasa mpanodina sakafo
- COTONA : orinasa mpanodina hasy hanamboarana lamba
- LMM Farine : orinasa mpanodina varimbazaha ho lafarinina
- STAR : orinasa mpanamboatra ny labiera THB, sy karazana zava-pisotro isan-karazany
- SOCOLAIT : orinasa mpanodina ronono (Nestle taloha)
- MELIA / SACIMEM : orinasa mpamokatra sigara
Fizahan-tany
hanovaInona no zavatra tena anenenan'ny olona raha tsy nataony rehefa nandalo an'Antsirabe :
- ny nandeha posy
- ny nisotro rano visy
- ny nitsidika an'Andraikiba sy Tritriva
Tanàna madio rivotra Antsirabe, tsy dia ahitana fitohanan'ny fifamoivoizana izany. Betsaka ny posiposy, ary anisan'ny fitaovam-pitaterana tsara dia tsara ao amin'io tanàna io koa ny bisikileta. Tsy dia lehibe loatra koa ny tanàna, ka azo atao tsara ny mitety azy amin'ny bisikileta. Misy tsangambaton'ny fahaleovan-tena mijoalajoala eo afovoan'ny tanàna.
Noho izany dia anisan'ny mandroso tokoa ny fizahan-tany amin'io faritra io. Maro ny trano fandraisam-bahiny izay niorina tao ka an'isan'izany ireo lehibe :
- Hotel Diamant
- Hotel des Thermes
- Arotel
- Hotel Menabel
- Royal Palace Hotel
- Hotel Rabemananjara
Tanàna rahavavy
hanova- Stavanger any Norvezy
- Montluçon any Frantsa
- Levallois-Perret any Frantsa[1]
- Vacoas-Phoenix any Maorisy
Jereo koa
hanovaRenivohi-paritany eto Madagasikara
- Antananarivo - Antsiranana - Fianarantsoa - Mahajanga - Toamasina - Toliara
Renivohi-paritra eto Madagasikara
- Ambatondrazaka - Ambositra - Ambovombe - Antananarivo - Antsirabe - Antsiranana - Antsohihy - Farafangana - Fenoarivo Atsinanana - Fianarantsoa - Ihosy - Maevatanana - Mahajanga - Maintirano - Manakara - Mananjary - Miarinarivo - Morondava - Sambava - Toamasina - Tôlanaro - Toliara - Tsiroanomandidy
Loharano
hanovaI Wikimedia Commons dia manana aino aman-jery mikasika an'i : Antsirabe |
- ↑ Atlas français de la coopération décentralisée et des autres actions extérieures sur Ministère des affaires étrangères. Novangiana tamin'ny 12 janvier 2010