I Hind bint Abi Umayya na Hind al-Makhzumiyah na Umm Salama no vadin' ny mpaminany Mohamady fahenina. Zanakavavin' i Abu Umayya Huzaifa bin Al Mughira sy i 'Atikah bint 'Amer bin Rabi'ah izy. Atao hoe هِنْد بِنْت أَبِي أُمَيَّة / izy amin' ny teny arabo. Teraka tokony tamin' ny taona 595 izy ary maty tamin' ny taona 680.

Ny anaran' i Hind bint Abi Umayya

I Umm Salama dia anisan' ny fokom-pianakaviana Makhzum ao amin' ny fokom-pirenena Quraysh. I Abu Salama vadiny voalohany dia nananany zanaka maromaro, telo lahy ary vavy iray. Samy nifindra monina tany Abisinia niaraka tamin' ny vadiny izy. Maty ny vadiny voalohany taorian' ny ady tao Uhud noho ny ratra nahazo azy tao.

Nanambady an' i Mohamady i Umm Salama tamin' ny taona 626, fony izy 29 taona. Lovantsofina maro no manao izany fanambadiana izany ho fampiononana nomen' i Allah taorian' ny nahafatesan' ny vadiny voalohany. Lovantsofina maro mifanipaka no mitatitra ity fizaràn-tantara ity.

I Umm Salama dia voalaza fa nampita hadita efa ho 300 ka noho izany dia heverin' ny mpandinika mozilmana ho fukaha', izany hoe mpahay lalàna. Maty tamin' ny taona 678 na 679 na 680 izy, na taorian' ny fandripahana tao Karbala koa aza. Mifanohitra ny loharanom-baovao.

Jereo koa hanova