I Abisinia dia faritra ao amin' ny Tandrok' i Afrika, any amin' ny tapany avaratr' i Etiôpia sy atsinanan' i Sodàna ary atsimon' i Eritrea. Nonenan' ny Habash na Abisiniana, izay razamben' ny Habasha (Amhara, Tigre) ankehitriny. Ny Abisiniana dia voatonona voalohany tamin' ny taonjato voalohany ao amin' ilay fitantarana ny fitrandrahana ranomasina amin' ny teny grika hoe Περίπλους τῆς Ἐρυθρᾶς θαλάσσης / Períplous tî̄s ̓Erythrâs thalássīs ("Dia tao amin' ny Ranomasina Eritrea"[1]) ary voalaza ao fa nanao raharaham-barotra betsaka tamin' i Ejipta. Io tahirin-kevitra io ihany koa dia miresaka fifandraisana matanjaka amin' ny "Tanin' ny Emboka Manitra", izany hoe ny faritr' i Mehri ao Iemena, izay nisongadinan' ny fedrà momba ilay Mpanjakavavin' i Seba taty aoriana.

Sarin-tany italianan' i Abisinia tamin' ny taona 1887

Mbola araka io tahirin-kevitra io ihany, ny Abisiniana sy ny Baribà (razamben' ny Sômaly ankehitriny), tamin' ny alalan' ny tanàna-seranan-tsambony toa an' i Opone, dia nanana fifanakalozana ara-barotra nampifandray ny Empira Bizantina tamin' i India Andrefana sy tamin' i Afrika Atsinanana tamin' ny alalan' i Ejipta sy i Arabia talohan' ny silamo. Tamin' ny taona 530 i Abisinia dia nanao sonia fifanarahana ara-barotra tamin' ny ambasadoron' ity Empira Rômana Atsinanana ity, nisolo tena ny emperora Jostiniano I.

Nampidirina tao amin' ny Empira Etiôpiana i Abisinia avy eo, ka ny mponina tao dia niantso tena hoe Habasha. Nampiasaina betsaka mitovy hevitra amin' ny hoe Etiôpia io teny hoe Abisinia io hatramin' ny tapaky ny taonjato faha-20 ary manondro voalohany indrindra ny Amhara sy ny Tigreana ary ny Tigrinia izay monina amin' ny lembalemba avon' i Etiôpia sy ny an' i Eritrea.

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. Ny Ranomasina Eritrea dia tsy iza fa ny Ranomasina Mena.