Sawda bint Zamʿah

I Sawdah bint Zamʿah dia vady faharoan' ny mpaminanin' ny silamo Mohamady, izay ataon' ny Mozilmana hoe أمّ المؤمنين / ʾumm al-muʾminīn, izany hoe "Renin' ny Mpino", sahala amin' ny vadin' i Mohamady hafa. Atao hoe سودة بنت زمعة / Sawdah bint Zamʿah izy amin' ny teny arabo.

Sawda bint Zamʿah

I Sawda binti Zam'a dia anisan' ny fokom-pirenen' ny Koraisita (Quraysh) amin' ny alalan' ny rainy ary mifamatotra amin' i Medina amin' ny alalan' ny reniny. Ny fanambadiany voalohany dia tamin' i Sakrān ibn 'Amr, anisan' ny Mozilmana voalohany. Niaraka tamin' io vadiny voalohany io izy no nifindra monina nankany Abisinia.

Rehefa niverina tany Meka ny vadiny, rehefa tonga Kristiana, dia maty, ary i Sawda bint Zamʿa dia lasa vadin' i Mohamady teo amin' ny faha-30 taonany eo ho eo. Ity fanambadiana ity dia natao manodidina ny taona 620 na 631. Khawla bint Hakim no nadahatra io fanambadiana io mba hampiononana an' i Mohamady noho ny fahafatesan' i Khadija.

Vadin' i Mohamady faharoa izy, na dia misy aza ny tsy fitovian-kevitra eo amin' ny mpandinika mozilmana momba ny tsy maha vady faharoa an' i Aisha. Na izany na tsy izany, i Sawda dia nipetraka irery niaraka tamin' i Mohamady nandritra ny fotoana voafetra satria mbola kely loatra i Aisha ka tsy tokony ho niray fandriana tamin' ny mpaminany ary nijanona tao amin' ny ray aman-dreniny. Maty tany Medina izy tamin' ny taona 673/674 i Sawda .

Ny fisaraham-panambadiana hanova

Vitsy ny lovantsofina momba an' i Sawda bint Zam'a, tsy toa an' i Aisha. Iray amin' ny tantara malaza indrindra teo amin' ny fiainany ny fanirian' i Mohamady hisaraka aminy. Araka ny lovantsofina dia vitany ny nampihemotra an' i Mohalady tamin' ny fanolorana ny anjara androny ho an' i Aisha tamin' ny nilazany fa ny hany faniriany dia ny ho vadin' ilay mpaminany amin' ny Andro Fitsarana. Ny andininy faha-127 amin' ny Soràta faha-4 dia nambara amin' i Mohamady tamin' io fotoana io.

Jereo koa hanova