Zaynab bint Khuzayma

I Zaynab bint Khuzayma no vadin' i Mohamady fahadimy. Atao hoe زَيْنَب بِنْت خُزَيْمَة / Zaynab bint Khuzayma izy amin' ny teny arabo. Zaynab bint Khuzayma ibn al-Hārith al-Hilālīya no anarany feno. Nandritra ny vanim-potoana talohan' ny silamo, ny fahalalahan-tanany dia nahatonga azy hahazo ny anaram-bosotra hoe أم المساكين / Umm al-Masākīn, izany hoe "Renin' ny Mahantra".

Ny anaran' i Zaynab bint Khuzayma

Nanambady an' i al-Tufail ibn al-Harith izy talohan' ny nanambady an' i Mohamady. Nisaraka taminy ity lehilahy voalohany ity ary nanambady ny rahalahiny, atao hoe Ubaida ibn al-Harith, izy. Taorian' ny nahafatesan' ity farany ity tamin' ny ady tao Badr dia nanambady an' i Zaynab binti Khuzayma i Mohamady tamin' ny taona 625. Nahatratra 400 dirham ny vodiondriny. 30 taona izy tamin' izay.

Maty i Zainab volana vitsivitsy taorian' ny nanambadiany an' i Mohamady. Nalevina tao amin' ny fasan' i al-Baqiʿ any Medina izy.

Jereo koa hanova