I Hafsa bint Umar ben al-Khattab na Hafsa no vadin' i Mohamady fahefatra. Zanakavavin' ny kalifa faharoa Umar ibn al-Khattab sy i Zaynab bint Mas’ūn izy. Teraka teraka tao Meka manodidina ny taona 605 izy ary maty manodidina ny taona 667.

Ny anaran' i Hafsa bint Umar

Ny vadiny voalohany dia i Khumays ibn Hudhafa. Nifindra monina tany Medina niaraka taminy izy. Ity farany dia maty tamin' ny ady tao Badr (araka ny voalazan' i Ibn Sa'd) na nandritra ny ady tao Uhud (araka ny voalazan' i Ibn Hajar). Ho an' i Ibn Qutayba dia maty ela be taorian' izany ady rehetra izany izy.

Avy eo dia natolotry ny rainy an' i Abu Bakr sy Uthman izy, nefa tsy nety ireto farany ireto. Nanambady an' i Mohamady tamin' ny taona 625 eo ho eo izy, tamin' izy 18 taona. Ho an' i Ibn Hajar dia nitranga izany roa volana talohan' ny ady tao Uhud. Nilaza i Ibn Sa'd fa nisy ny fisarahana teo amin' izy ireo talohan' ny hivadiany indray. Ity fizan-tantara ity dia mifamatotra, ho an' ny mpamakafaka ny andininy faha-3 amin' ny Soràta faha-66 izay milaza ny tsy fahalalam-pomba nataon' ny iray tamin' ny vadin' i Mohamady. Ity andalan-tsoratra ao amin' ny Kor'any ity (andininy vaoalohany hatramin' ny faha-3) dia natao an-kolaka ary ahitana singa miparitaka (ny andininy faha-3 tsy mifandray amin' ny andininy faha-2). Raha nanandrana nanazava ireo teny an-kolaka ireo ny mpamakafaka dia heverin' i Neuenkirchen fa niezaka nitady vahaolana isan-karazany ny mpanao heviteny, nefa samy tsy dia maharesy lahatra noho ny hafa izany. Ireo lovantsofina ireo dia milaza fa i Mohamady dia nanararaotra ny tsy nahateo an' i Hafsa mba hanaovany firaisana ara-nofo amin' ny andevo iray, atao hoe Maria Kôpta (izay voalaza fa vadin' i Mohamady koa). Tratran' i Hafsa ny zava-niseho, nitaraina i Hafsa ka nampangina azy i Mohamady, nefa tsy nohajainy izany. Vehivavy tsy mpankatò i Hafsa.

Misy amin' ny mpampita hadita no mihevitra fa tsy manome voninahitra an' i Mohamady ity fizaran-tantara. Ho azy ireo, ny tsiambaratelo naparitak' i Hafsa dia mahakasika ny fifandimbiasan' ny kalifa. Ho an' ny hadita iray hafa nampitain' i Bukhari, dia mahakasika ny fandrarana ny tantely izany. Ireo fampitana marobe ireo dia maneho ny fampifanarahana ny lovantsofina amin' ny lamina etikan' ny mpampita.

Tamin' ny fahafatesan' i Mohamady dia voalaza fa nampirisika an' i Mohamady sy Aisha i Hafsa hanilika an' i Ali mba hahatafavoaka ny rain' izy ireo tsirairay avy.

Araka ny ankamaroan' ny lovantsofina dia maty tamin' ny taona 665 i Hafsa. Araka ny lovantsofina siita dia niaina hatramin' ny fiafaran' ny fitondran' i Ali izy. Ho an' i Ibn Qutayba dia maty nandritra ny an' i Uthman izy.

Jereo koa hanova