Khadija bint Khuwaylid

I Khadija bint Khuwaylid no vady voalohan' ny mpaminany silamo Mohamady (Muhammad) sady mpanaraka azy voalohany. Ataon' ny finoana silamo hoe "Renin' ny Mpino" izy, toy ireo vadin' io mpaminany io hafa. Teraka teo anelanemlan' ny taona 555 sy 560 izy ary maty tamin' ny taona 619 tao Meka. Atao hoe خَدِيجَة بِنت خُوَيلِد الطَّاهِرَة / Khadīja bint Khuwaylid izy amin' ny teny arabo. I Khadija dia zanakavavin' i Khuwaylid ibn Asad, olona manan-kaja tao amin' ny fokom-pirenena koraisita (Quraysh) tao Meka ary mpivarotra nahay.

Khadija bint Khuwaylid

Ao amin' ny finoana silamo dia vehivavy manana ny maha izy azy izy amin' ny maha anisan' ny "vehivavin' ny lanitra" efatra azy, miaraka amin' ny zanany vavy Fatima bint Muhammad, i Ruqayya bint Muhammad, i Umm Kulthum bint Muhammad ary i Zainab bint Muhammad. Vadin' i Mohamady nandritra ny 25 taona izy.

Ny renin' i Khadija, atao hoe Fatima bint Za'idah, izay maty tamin' ny taona 575, dia mpikambana ao amin' ny fokom-pianakaviana Amir ibn Luayy ao amin' ny Koraisita ary zanak' olo-mpiray tam-po fahatelo amin' ny renin' i Mohamady, atao hoe Amina. I Khuwaylid ibn Asad, rain' i Khadija, dia mpivarotra sy mpitarika. Araka ny fitantarana sasany dia maty izy tamn' ny taona 585 nandritra ilay ady atao hoe Ḥarb al-Fījar, (teo amin' ny Quraysh sy ny Hawazin), saingy araka ny filazan' ny hafa dia mbola velona izy rehefa nanambady an' i Mohamady i Khadija tamin' ny taona 595. I Khuwaylid koa dia nanana anabavy antsoina hoe Ume Habib bint Asad.

Jereo koa hanova