Vondrona ara-Toekaren' ny Firenen' i Afrika Andrefana

Ny Vondrona ara-Toekaren' ny Firenen' i Afrika Andrefana dia iray amin' ireo fikambanana ara-toekarena ao Afrika, fikambanana iraisam-pirenena afrikana tandrefana, natsangana tamin' ny 28 May 1975. Atao hoe Communauté économique des États de l'Afrique de l'Ouest (CEDEAO) izy amin' ny teny frantsay, Economic Community of West African States (ECOWAS) amin' ny teny anglisy, ary Comunidade Económica dos Estados da África Ocidental kosa amin' ny teny pôrtogey.

Sarintany maneho ny firenena mpikambana ao amin' ny CEDEAO teo aloha

Ity rafitra ity dia natao handrindrana ny hetsika ataon' ny firenen' i Afrika Andrefana. Ny tanjony dia ny hampiroborobo ny fiaraha-miasa sy fampidirana amin' ny tanjona amin' ny fananganana vondrona ara-toekarena sy ara-bola ao Afrika Andrefana.

Sarintany maneho ny firenena mpikambana ao amin' ny CEDEAO ankehitriny: niala ireo izay nolokoana maitso tanora

Tamin' ny taona 1990 dia nitarina tamin' ny fitandroana ny fitoniana isam-paritra ny fahefany tamin' ny nananganana ny l'Economic Community of West African States Cease-fire Monitoring Group, izay vondrona miaramila mpiditra an-tsehatra izay lasa maharitra nanomboka tamin' ny taona 1999. Ny ECOWAS na CEDEAO ankehitriny dia misy firenena mpikambana miisa 15. Tamin' ny taona 2020 dia mitentina 686 000 tapitrisa dôlara amerikana ny harin-karena faoben' ny firenena mpikambana ao.

Na dia ara-toekarena fotsiny aza ny anjara asany tamin' ny voalohany dia nanjary liana tamin' ny fitandroana ny fandriam-pahalemana koa ny CEDEAO. Fepetra ilaina mba hahatanterahana ny firaisana tokoa izany. Ankoatra izay, ny CEDEAO dia namorona fotodrafitrasa momba ny fitaterana sy ny fifandraisan-davitra.

Indreto ny firenena mpikambana ao: Benîno, Borkina Fasô (naato), Gambia, Ganà, Ginea (naato), Ginea-Bisao, Kapvera, Kôtidivoara, Liberià, Maly (naato), Nizera (naato), Nizerià, Senegaly, Siera Leôna ary Tôgô. Mpikambana mpiara-miasa i Maoritania.

Niger, Mali ary Burkina Faso dia nanambara fa handao ny fikambanana izy ireo amin'ny 28 Janoary 2024, hetsika tsy mbola nisy toy izany hatramin'ny nananganana ny ECOWAS, izay milaza manokana ny tsy fahampian'ny fanampiana avy amin'ny fikambanana manoloana ny fampihorohoroana ary miampanga azy ho eo ambanin'ny lalàna. herin'ny hery vahiny.