Ny takodara afrikana na tsakodara afrikana na takidara afrikana dia karazana vorona misy sangany, noheverina teo aloha ho anisan' ny takodarambazaha (Upupa epops africana). Atao hoe Upupa africana izy amin' ny anarana ara-tsiansa. Ny volony dia volomboasary antitra kokoa noho ny an' ny karazana hafa. Mandrakotra an' i Afrika ny faritra misy azy, manomboka any afovoan' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô ka hatrany Kenia ary any Cap (Afrika Atsimo). Tsy mpifindra monina izy, tsy toy ny takodarambazaha (Upupa epops). Ny takodarambazaha dia mipetraka any amin' ny faritra manana tioetany antonony sy mafana ao Afrika sy any Azia ary ao Eorôpa. Ny takodara afrikana dia hita ao Afrika Atsimo, ao Lesôtô, ao Esoatiny, ao Namibia, ao Bôtsoana, ao Zimbaboe, ao Môzambika, ao Angôla, ao Zambia, ao Malaoy, ao Tanzania, ao Arabia Saodita ary ao amin' ny tapany atsimon' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô.

Takodara afrikana
Fitsinjaràn' ny faritra misy ny takodara: maitso antitra: faritra onenan' ny takodarambazaha maharitra, volomboasary: farira fanamboarany ny tranony, manga: faritra andaniany ny ririnina. Maitso: faritra misy ny takodara afrikana. Mitso matroka: faritra misy ny takodaran' i Madagasikara

Jereo koa hanova