Ny Siriana na vahoaka siriana dia ny mponina ao Siria izay manana razambe semitika iraisany avy ao Atsinanana Akaiky (any Ampiposahana). Amin' ny teny arabo dia atao hoe سوريون ("Siriana") na الشعب السوري / al-sha'ab al-Sūrī ("vahoakan' i Siria") izy ireo, fa amin' ny teny siriaka kosa dia ܣܘܪܝܝܢ. Ny lova ara-kolontsaina sy ara-pitenin' ny vahoaka siriana dia fifangaroan' ny singa avy eo an-toerana sy ny kolontsain' ny vahiny nifehy ny tany sy ny mponina tao nandritra ny an' arivony taona.

Ny Repoblika Siriana dia misy mponina 19,5 tapitrisa tamin' ny taona 2018, ary miisa 6 tapitrisa koa ny mpitsoa-ponenana siriana any ivelany, anisan' izany ny Kiorda. Ny ankamaroan' ny vondrom-poko ara-kolontsaina maro anisa dia ahitana ny Siriana taranaky ny vahoaka teratany semitika fahiny (Asiriana, Amôrita, sns.) izay nifangaro tamin' ny Arabo teratany nonina tany amin' ny Efitr' i Siria sady manambara ny tenany ho Arabo, ankoatra ny Arameana. Ny zanaka am-pielezana siriana dia ahitana olona miisa 15 tapitrisa manana razambe siriana nifindra monina any Amerika Avaratra (Etazonia sy Kanada), any amin' ireo firenena mpikambana ao amin' ny Vondrona Eorôpeana (anisan' izany i Soeda, i Frantsa ary i Alemaina), any Amerika Atsimo (indrindraindrindra i Brezila, i Arjentina, i Sily, i Venezoelà, ary i Kôlômbia), any amin' ny faritra Karaiba, aty Afrika, any Aostralia, ary any Zelandy Vaovao.

Jereo koa hanova