Rasalimo dia andriambavy tao amin' ny Fanjakan' i Menabe, zana-dRamitraho mpajakan' i Menabe, izay natolotra an-dRadama I mba hisian' ny fihavanana eo amin' ny fanjakana roa tonta.

Rasalimo dia taranaky ny mpanorina ny Fanjakana Sakalava (Andriamandazoala tany amin' ny faritr' i Fiherenana sy Andriamisara tany Menabe ary Andriamandisoarivo tany Boina). Nandritra ny fandefasana tafika faharoa notarihin-dRadama I tao Menabe dia nanolo-tena hanambady ny mpanjaka merina ny andriambavy Rasalimo mba hanamafy ny fihavanan' ny fanjakana roa. Nanan-janaka izy mivady, dia Itsimandriambovoka sy Razafinimanjaka Raketaka ary Rabobalahy, izay nosakanan' ny fikomiana tao an-dapa tsy hanjaka tao Antananarivo.