Ramaitsoankanjo

(tonga teto avy amin'ny Ramaintsoakanjo)

Ramaitsoakanjo dia vadin-dRabiby, mpanjaka arabo, tao Ambohidrabiby. Niteraka telo izy ireo ka Rabefaravolamanjaka sy Randapavola no zanany vavy.

Tantarany hanova

Ramaintsoakanjo, vehivavy niaina tamin' ny taonjato faha-15, dia voalazan' ny lovantsofina fa vazimba. Zanakandriana ny firazanany noho izy zanakavavin' ny mpanjaka Andriandrambondanitra (izay zanak' Andriatomarafefy ary ito moa dia zanak' Andriatomaramanana izay zanak' Andriatomara, fianakavian' andriana nanjaka tamin' ny faritr' Anjozorobe tamin' ny taonjato faha-14 sy faha-15). Tamin' ny taonjato faha-15 dia nisy andriandahy atao hoe Habib, anarana nogasiana hoe Rabiby, tafakatra taty anivon' ny riaka ka nanjaka fohy tao Ambohitsitakatra Anjozorobe ary nifindra monina sy nanjaka teo Ambohidrabiby. Nalain-dRabiby ho vady Ramaintsoakanjo ka niterahany roa, dia Rabefaravolamanjaka sy Randapavola atao koa hoe Ramaintsoanala.

Misy koa lovantsofina milaza fa mbola niteraka maro ankoatr' izy roa vavy ireo Rabiby sy Ramaintsoakanjomilaza, isan' izany ny mpanjaka Andriamamilazabe; Imady izay nifindra monina tany amin' ny faritra Ambositra ka avy aminy no niavian' ny fitenana hoe "Imerin' Imady" ary ny farany dia andriambavy iray hafa izay lasa vadin' ny mpanjaka Andriambahoaka tany Imamo. Niara-nonina tamin-dRabiby vadiny teo Ambohidrabiby Ramaintsoakanjo ka mbola ao ny fasany mandraka ankehitriny.

Isan' ny manana ny maha-izy azy manokana amin' ny finonana nentin-drazana aty Imerina koa Ramaintsoakanjo satria ny anarany dia saika antsoin' ny Ntaolo raha mivavaka amin' Andriamanitra sy ny razana na any an-tampon' Ankaratra, na any Angavo na any Andringitra na any Lohavohitra ary amin' ireo tendrombohitra 12 sy vohitra manan-kasina rehetra eto Imerina mandraka ankehitrio.

Jereo koa hanova