Ny panteôna dia fitambaran' ny andriamanitra rehetra ao amin' ny fivavahana na ao amin' ny fedrà pôliteista iray.

Panteônan' ny andriamanitra hindoa ivavahana mandritra ny fetin' ny Durga Puja any Kolkata, India

Ny teny hoe panteôna dia avy amin' ny teny grika πάνθεον / pantheon, izay midika ara-bakiteny hoe "(tempolin' ny) andriamanitra rehetra" na "(tempoly iombonan' ny) andriamanitra rehetra", avy amin' ny teny hoe πᾶν- / pan- "rehetra" sy ny hoe θεός / theos "andriamanitra".

Ny panteôna pôliteista ara-tantara fanta-daza dia ahitana ny andriamanitra someriana sy ny andriamanitra ejipsiana, ary ny panteônan' ny fivavahana grika tamin' ny Andro Taloha sy ny an' ny fivavahana rômana. Anisan' ny fivavahana pôliteista koa ny andriaaniry ny vahoaka jermanika tavaratra (atao hoe Æsir sy Vanir), ny ao amin' ny fivavahan-drazan' ny Iôroba (atao hoe Orisha), ny andriamanitry ny Azteka, sy ny maro hafa.

Jereo koa

hanova