Ôsetiana (vahoaka)

(tonga teto avy amin'ny Osetiana (vahoaka))

Ny Ôsetiana na Ôseta na Ôsa dia vahoaka iraniana monina ao amin' ny faritr'i Kaokazy, any Rosia ary any Jeôrjia, avy amin' ny faritra atao hoe Ôsetia. Atao hoe ирӕттӕ / irættæ izy ireo amin' ny fiteny ôsetiana fa ოსები / osebi kosa amin' ny fiteny jeôrjiana. Ny fitenin' ny Ôsetiana (fiteny ôsetiana) dia isan' ny fiteny iraniana. Kristiana ôrtôdoksa ny ankabetsahan' ny vahoaka ôsetiana. Vitsy ny Ôsetiana manaraka ny fivavahana silamo. Miisa any amin' ny 750 000 any ho any ny Ôsetiana ka ao Rosia (528 515 tamin' ny taona 2010), ao Ôsetia an' i Alania Avaratra (445 310 tamin' ny taona 2010), ao Ôsetia Atsimo (45 000 tamin' ny taona 2007), ao Jeôrjia (38 028 tamin' ny taona 2002), ao Torkia (100 000) ary ao Siria (61 800) no tena betsaka azy ireo.

Jereo koa hanova